1Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny
tsy mpivavaka,
tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota,
ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira;
2fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany,
sady saintsaininy andro aman’alina.
3Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy,
ka ny voany tonga amin’ny fotoany;
ny raviny tsy mba malazo;
ny ataony rehetra vanona avokoa.
4Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka:
toy ny akofa faohin’ny rivotra izy,
5ka tsy hahatsangana amin’ny andron’ny fitsarana
ny tsy mpivavaka,
na eo amin’ny fiangonan’ny olo-marina, ny mpanota.
6Satria ny lalan’ny marina fantatr’i Iaveh
fa ny lalan’ny mpanota mitarika ho amin’ny fahaverezana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.