1Nony ren’ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra any an-dafin’i Jordany any andrefana sy ny mpanjakan’ny Kananeanina rehetra akaikin’ny ranomasina fa nataon’i Iaveh maina ny ranon’i Jordany teo anoloan’ny zanak’i Israely mandra-pitantsika, dia kivy ny fony ka nanary toky teo anoloan’ny zanak’i Israely izy.
Famorana ny Hebrio tao Galgalà2Tamin’izany andro izany hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Manaova antsy vato ho anao, ka ataovy fanindroany ny famorana ny zanak’i Israely.»
3Dia nanao antsy vato ho azy i Jôsoe, ka namory ny zanak’i Israely teo an-kavoana Aralota.
4Izao no antony namoran’i Jôsoe azy: Ny vahoaka rehetra nivoaka avy tany Ejipta, ny lehilahy, ny mpiantafika rehetra dia efa maty tany an’efitra avokoa, teny an-dalana, taorian’ny nivoahany avy tany Ejipta.
5Fa efa voafora daholo ny vahoaka rehetra nivoaka, fa ny vahoaka rehetra teraka tany an’efitra, teny an-dalana kosa, hatramin’izay nivoahana tany Ejipta dia tsy voafora.
6Satria efapolo taona no nandehanan’ny zanak’i Israely tany an’efitra, mandra-pahalàny ritra ny firenena rehetra, dia ny mpiantafika rehetra nivoaka avy tany Ejipta, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ka efa nianianan’i Iaveh taminy fa izy ireo tsy havelany hahita ny tany izay nianianany tamin’ny razanay homena antsika, tany tondra-dronono sy tantely.
7Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforàn’i Jôsoe, satria mbola tsy voafora avokoa, noho izy tsy noforàna teny an-dalana.
8Nony tapitra voafora avokoa ny firenena rehetra dia nijanona teo amin’izay nitoerany tao an-toby izy aloha, mandra-pahasitrany.
9Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Noesoriko ho afaka taminareo androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta.» Dia natao hoe Galgalà mandraka androany izany toerana izany.
Ny nankalazana ny Paka10Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely, dia nanao ny Paka, tamin’ny andro faha-14n’ny volana, rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô.
11Ny ampitson’ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin’ny vokatry ny tany.
12Ary ny ampitson’ny Paka, rehefa nihinana tamin’ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak’i Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin’izany taona izany.
3. NY NAHAZOANA AN’I JERIKOZavatra mialoha: Fisehoan’Andriamanitra13Efa mby akaiky an’i Jerikô i Jôsoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Momba anay va ianao sa momba ny fahavalo?»
14«Tsia», hoy ny navaliny, «fa filohan’ny tafik’i Iaveh no tonga eto ankehitriny aho.»
15Nidaboka tamin’ny tany sy niankohoka i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Inona no lazain’ny Tompoko amin’ny mpanompony?»
16Ary hoy ilay filohan’ny tafik’i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Esory hiala amin’ny tongotrao ny kapanao, fa masina io tany ijanonanao io.» Dia nataon’i Jôsoe izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.