1 Salamon’i Davida.
Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no tiako hohiraina;
Ianao Iaveh no tiako hankalazaina.
2Hitandrina ny lalan’ny tsy fananan-tsiny aho.
- Rahoviana no ho tonga aty amiko Ianao? -
Handeha amin’ny fahitsian’ny foko aho,
eo afovoan’ny tranoko.
3Eo anoloan’ny masoko aho,
tsy hanisy asa ratsy na inona na inona;
halako ny fitondran-tena ratsy;
tsy hipetraka amiko izany.
4Tsy mba ho fo mivaona ny ahy na oviana na oviana;
tsy te-hahalala izay ratsy akory aho.
5Hofongorako,
ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina.
Ny olona misolanandrana sy bontsinin’ny hambom-po,
tsy ho tohako.
6Hijery izay olona mahatoky amin’ny tany, ny masoko,
mba hitoerany ato akaikiko;
izay mandeha amin’ny lalana marina, no ho mpanompoko.
7Tsy mba hanan-toerana ao an-tranoko,
izay manao am-pitaka;
tsy hijanona eo anoloan’ny masoko,
izay milaza lainga,
8haripako isa-maraina
ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany,
mba hamongorako eo an-tanan’i Iaveh
izay rehetra manao ratsy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.