Levitika 14 - Malagasy Catholic Bible

Fanadiovana ny boka

1Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2Izao no lalàna momba ny boka, amin’ny andro hidiovany:

3Hoentina ho ao amin’ny mpisorona izy, dia hivoaka ny toby ny mpisorona hizaha azy. Ka raha sitrana ny ferin’ny habokan’ilay boka,

4dia hodidian’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina ny vorona roa velona sady madio, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa.

5Ny iray amin’ireo vorona no hasain’ny mpisorona vonoina eo ambony vilany tany misy rano avy amin’ny rano velona;

6vao halainy ilay vorona sisa velona, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa, hatsobony mbamin’ny velona ao amin’ny ran’ilay vorona novonoina eo ambonin’ny rano velona,

7ka fafazany amin’izany impito ilay hodiovina amin’ny habokany, dia holazainy hoe madio izy, ary halefany ho any an-tsaha ilay vorona velona.

8Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.

9Amin’ny andro fahafito hoharatany avokoa ny volon-kodiny rehetra, ny volon-dohany, ny volombavany, ny manja-masony, hoharatany ny volon-kodiny rehetra; ary hosasany ny fitafiany, hampandroiny amin’ny rano ny tenany, dia hadio izy.

10Amin’ny andro fahavalo izy hitondra zanak’ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga.

11Izay mpisorona manao ny fanadiovana hanolotra an’izay olona midio, mbamin’ireo zavatra rehetra ireo eo anatrehan’i Iaveh, anoloan’ny trano lay fihaonana.

12Halain’ny mpisorona ny iray amin’ireo zanak’ondry, ka hatolony ho sorona fanonerana, mbamin’ny diloilo iray loga koa, ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.

13Eo amin’ny toerana famonoana ny sorona noho ny ota, sy ny sorona dorana, no hamonoany ny zanak’ondry, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa amin’ny sorona fanonerana, dia an’ny mpisorona, toy ny amin’ny sorona noho ny ota, ny zavatra atao sorona: zava-masina dia masina izany.

14Hangalan’ny mpisorona ny ran’ny sorona fanonerana, dia hanentenany an’ilay midio amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.

15Dia halain’ny mpisorona ny diloilo iray loga, ka haidiny amin’ny felatanany havia.

16Hatsoboky ny mpisorona amin’ny diloilo izay eo am-pelatanany havia, ny rantsan-tanany ankavanana, hanaovany famafazana impito eo anatrehan’i Iaveh amin’ny rantsan-tanany.

17Ary ny diloilo sisa eo an-tanany, dia hatentiny an’ilay midio amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana, dia eo ambonin’ny ran’ny sorona fanonerana.

18Izay diloilo sisa mbola eo an-tanany kosa, dia hataony amin’ny lohan’ilay midio, ary hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ny mpisorona.

19Raha efa izany hatolotry ny mpisorona ny sorona noho ny ota, sy hataony ny fanonerana ho an’ilay midio ho afaka amin’ny lotony.

20Dia hovonoiny ny sorona dorana, hatolony eo ambonin’ny ôtely miaraka amin’ny fanatitra, ka hanao ny fanonerana ho an’izany olona izany izy, dia hadio ilay olona.

Ny hataon’ny boka mahantra

21Raha mahantra izy, ka tsy ampy ny fananany, dia haka zanak’ondry iray monja ihany izy, hatolotra ho sorona fanonerana, fanatitra ahevaheva, hanaovana ny fanonerana ho azy. Haka lafarina tsara indrindra izy, ampahafolon’ny efah ihany voadity amin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga,

22mbamin’ny domohina roa, na vantom-boromahailala roa, araka izay azony atao, ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana.

23Hoentiny ho eo amin’ny mpisorona ireo ho fidiovany, amin’ny andro fahavalo, dia eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, eo anatrehan’i Iaveh.

24Dia horaisin’ny mpisorona ny zanak’ondry hatao sorona fanonerana sy ny diloilo iray loga, ka hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh.

25Ary rehefa avy namono ny zanak’ondry hatao sorona fanonerana ny mpisorona, dia hangalany ny ra avy amin’ny sorona fanonerana, hatentiny amin’ilay midio eo amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.

26Raha efa izany dia haidin’ny mpisorona eo am-pelatanany havia ny diloilo.

27Ny rantsan-tanany havanana no hanaovan’ny mpisorona ny famafazana impito amin’ny diloilo izay eo an-tanany ankavia, eo anatrehan’i Iaveh.

28Hotentenan’ny mpisorona amin’ny diloilo eo an-tanany ilay midio, dia eo amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, amin’izay nasiany ny ran’ny zavatra natao sorona fanonerana.

29Ilay diloilo sisa eo an-tanany, dia hataon’ny mpisorona amin’ny lohan’ilay midio, hanaovana ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh.

30Raha efa izany, dia hatolony ny iray amin’ny domohina na iray amin’ny vanto-boromahailala, izay azony novonoina,

31ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana, ombam-panatitra. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izay midio, eo anatrehan’i Iaveh.

32Izany no lalàna momba ny fidiovan’izay nanana fery habokana ka tsy ampiampy fananana.

Habokana amin’ny trano

33Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh nanao hoe:

34Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanaana izay homeko anareo ho fanananareo ianareo, raha asiako fery habokana ny trano anankiray amin’ny tany hanananareo,

35dia handeha hilaza izany amin’ny mpisorona, ny tompon’ilay trano, hanao hoe: Hitako misy tahaka ny fery habokana ao amin’ny tranoko.

36Alohan’ny hidiran’ny mpisorona ao hizaha ilay fery dia hasainy foanany aloha ny trano mba tsy haloto izay zavatra rehetra ao, vao hiditra hizaha ny trano izy.

37Dia hozahan’ny mpisorona ilay fery, ka raha hitany fa misy lavaka maitsomaitso na menamena izay toa tafalentika amin’ny rindrina, ao amin’ny fery, eo amin’ny rindrin-trano,

38dia hivoaka ny trano ny mpisorona hatreo am-baravarana ka asainy hidiana ny trano, mandritra ny hafitoana.

39Amin’ny andro fahafito hiverina ao indray ny mpisorona. Raha hitany fa nanitatra eo amin’ny rindrin-trano ny fery:

40ny vato voan’ny fery hasainy esorina hariana any ivelan’ny tanàna, amin’ny toerana maloto;

41ny ati-trano manontolo hasainy kikisana, hariana any ivelan’ny tanàna amin’ny toerana maloto ny vovoka rehetra voakiky;

42ary vato hafa no halaina hasolo ilay teo, ary feta hafa no halaina handalorana ny trano indray.

43Raha mipoitra ao amin’ny trano indray ny fery atỳ aorian’ny nanesorana ny vato sy ny nikikisana amana nandalorana ny trano, dia hiverina hizaha azy indray ny mpisorona;

44ka raha nanitatra ao amin’ny trano ny fery dia habokana ratsy amin’ny trano izany, ka maloto izy.

45Horavana ny trano, ny vato, ny hazo, ny lalotra rehetra amin’ny trano, dia hoentina any ivelan’ny tanàna avokoa, amin’ny toerana maloto, izany rehetra izany.

46Izay niditra tao an-trano mandritra ny fotoana nilazana azy hoe mihidy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

47Izay nandry tao an-trano hanasa ny fitafiany, izay nihinana tao an-trano hanasa ny fitafiany.

48Nefa raha hitan’ny mpisorona nony efa niverina tao an-trano izy, fa tsy nanitatra ilay fery taorian’ny nandalorana ny trano, dia holazaina fa madio ny trano satria sitrana ny fery.

49Ka izao no halainy ho fanadiovana ny trano: vorona roa, hazo sedera, lamba mena antitra ary hisopa.

50Dia hovonoiny eo ambony vilany tany, ambony rano velona, ny vorona iray.

51Ary halainy ny hazo sedera sy ny hisopa, mbamin’ny lamba mena antitra, sy ny vorona mbola velona, hatsobony ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina sy ao anatin’ny rano velona ka hamafazany ny trano impito.

52Dia handiovany ny trano ny ran’ilay vorona, ny rano velona, ny vorona velona, ny hazo sedera, ny hisopa, ny lamba mena antitra;

53ary halefany ho any ivelan-tanàna any an-tsaha ilay vorona velona. Toy izany no hanaovana ny fanonerana ho an’ny trano, dia hadio izy.

54Izany no lalàna momba ny fery habokana, sy ny kimavo,

55ny habokana amin’ny fitafiana sy ny trano,

56ny mamontsina, ny anakandro, ary ny hodi-potsy.

57Izany no hahalalana na maloto na madio ny zavatra anankiray. Izany no lalàna momba ny habokana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help