Jeremia 43 - Malagasy Catholic Bible

1Nony tapitra voalazan’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra avokoa ny tenin’i Iaveh Andriamaniny, ireo teny rehetra nanirahan’i Iaveh Andriamaniny azy ho aminy,

2dia niteny i Azariasa zanak’i Osaiasa, sy i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin’i Jeremia hoe: «Milaza lainga ianao; i Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: ‹Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao›.

3Fa i Baròka zanak’i Nerià, no nanome fo anao hamely anay, mba hanolotra anay ho eo an-tanan’ny Kaldeanina, hahafaty anay sy hahalasan-ko babo anay any Babilôna.»

4Ka dia tsy nihaino ny feon’i Iaveh nandidy azy hitoetra amin’ny tanin’i Jodà i Johanàna zanak’i Karea, sy ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’ny vahoaka rehetra.

5Fa nentin’i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo mpifehy miaramila rehetra ihany ny sisan’i Jodà rehetra, ireo izay efa niverina avy any amin’ny firenena rehetra nielezany, honina eo amin’ny tanin’i Jodà,

6ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy, ny zanaka vavin’ny mpanjaka, mbamin’ny olona rehetra navelan’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina niaraka tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ary koa i Jeremia mpaminany, mbamin’i Baròka zanak’i Nerià.

7Niditra tany amin’ny tany Ejipta izy ireo, dia tonga hatrany Tafnesa, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh.

Nolazain’i Jeremia mialoha ny fanafihan’i Nabokodonozora

8Ary tonga tamin’i Jeremia tao Tafnesa ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

9«Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno eo anatrehan’ny lehilahy amin’i Jodà, ataovy ao anaty simenitra eo amin’ny ngorodona taila, izay anoloan’ny tranon’i Faraôna, ao Tafnesa;

10dia lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho haniraka haka an’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mpanompoko, sy hametraka ny seza fiandrianany eo ambonin’ireto vato nafeniko ireto; ary izy hamelatra ny karpetrany eo ambonin’ireo.

11Ho avy izy, ka hamely ny tany Ejipta; ka izay ho amin’ny fahafatesana, matesa; izay ho amin’ny fahababoana, baboy; izay ho amin’ny sabatra, alavoin-tsabatra.

12Handrehitra afo ao amin’ny tranon’ireo andriamanitr’i Ejipta Aho, ka hodorana izany, ary hoentiny babo ireo andriamanitra ireo; ary hihodidinany hoatra ny hihodidinan’ny mpiandry ondry ny lambany ny tany Ejipta, vao hiala eo amim-piadanana izy.

13Ireo tsangam-bato ao an-tranon’ny Masoandro, eo amin’ny tany Ejipta, hotorotoroina, ary ireo tranon’ny andriamanitr’i Ejipta hodorana.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help