1Nony efa akaiky ny andro hahafatesan’i Davida, dia nandidy an’i Salômôna zanany izy, nanao hoe:
2«Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho ity, ka mahereza ianao, misehoa ho lehilahy.
3Tandremo ny fanompoana an’i Iaveh Andriamanitrao, fa araho ny lalany, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsipika amam-pandaharany, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, mba hahomby ianao amin’izay hataonao rehetra sy izay rehetra noherehinao,
4ka dia hotanterahin’i Iaveh ilay teny nilazany ny amiko hoe: Raha mitandrina ny diany ny zanako, ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, dia tsy ho lany taranaka ho eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ianao.
5Ary fantatrao ihany ny nataon’i Jôaba zanak’i Sarvià tamiko, dia ilay nataony tamin’izy roa lahy, i Abnera zanak’i Nera, sy i Amasà zanak’i Jetera, filohan’ny tafik’i Israely, fa novonoiny ireo, ka ny ra fandatsaka amin’ny ady, nalatsany amin’izao tany mandry izao, ary ny ra fandatsaka amin’ny ady dia nataony tamin’ny fehikibo teny am-balahany sy tamin’ny kapa teny amin’ny tongony!
6Izay azon’ny fahendrenao no ataovy, fa aza avela hidina amim-piadanana any amin’ny fonenan’ny maty ny volo fotsiny.
7Fa ireo zanak’i Berzelaia galaadita kosa dia hanehoy fitiavana ka aoka ho isan’izay mihinana eo amin’ny latabatrao izy ireo, fa tahaka izany koa no nanatonany ahy, fony aho nandositra teo anoloan’i Absalôma rahalahinao.
8Indro eto akaikinao i Semeià, zanak’i Gerà, Benjaminita, avy ao Bahorima. Ozona mafy no notononiny tamiko, tamin’ny andro nankanesako tany Mahanaîma. Nefa noho izy nidina nitsena ahy tany Jordany dia nianiana taminy, tamin’ny anaran’i Israely aho, nanao hoe: Tsy hovonoiko amin’ny sabatra ianao.
9Ary ankehitriny aza avela ho afa-maina anefa izy, fa olon-kendry ianao, ka mahalala izay tokony hanaovanao azy. Fandatsahan-dra no ampidinanao ny volo fotsiny any amin’ny fonenan’ny maty.»
10Dia nandry any amin’ny razany i Davida, ka nalevina tao an-tanànan’i Davida.
11Efapolo taona no andro nanjakan’i Davida tamin’i Israely, ny fito taona nanjakany tany Hebrôna, ary ny 33 taona tao Jerosalema.
12Ary i Salômôna nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Davida rainy, ary niorina tsara ny fanjakany.
Ny nahafatesan’i Adoniasa13Ary i Adoniasa zanak’i Hagita nankao amin’i Betsabea renin’i Salômôna. Ary hoy ravehivavy: «Hevi-pihavanana va no ahatongavanao?» Dia hoy ny navaliny: «Eny, hevi-pihavanana,»
14sady nampiany hoe: «Misy teny indraimbava holazaiko aminao.» Ka hoy ravehivavy; «Lazao àry.»
15Dia hoy izy: «Fantatrao fa efa tato amiko ny fanjakana; izaho no efa nandrandrain’i Israely rehetra mba hanjakako. Kanjo nafindra ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, fa efa natokan’i Iaveh ho azy.
16Koa ankehitriny, zavatra iray ihany no mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho.» Dia hoy ravehivavy namaly azy: «Lazao.»
17Dia ho izy: «Miangavy anao aho hilaza amin’i Salômôna mpanjaka, fa tsy handà anao izy, mba hanomezany an’i Abisaga Sonamita ho vadiko.»
18Dia hoy i Betsabea: «Tsy maninona fa dia hiteny amin’ny mpanjaka ny aminao aho.»
19Dia nankany amin’i Salômôna mpanjaka, i Betsabea, hilaza aminy ny amin’i Adoniasa. Nitsangana nitsena azy ny mpanjaka, sady niankohoka teo anatrehany; dia nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, sy nampanisy seza fiandrianana ho an’ny renin’ny mpanjaka, ka nipetraka teo ankavanany ravehivavy.
20Izay izy vao niteny hoe: «Misy zavatra kely anankiray hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho.» Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Mangataha, ry reny, fa tsy handà anao aho.»
21Dia hoy izy: «Aoka homena ho vadin’i Adoniasa rahalahinao i Abisaga Sonamita.»
22Fa hoy ny navalin’i Salômôna mpanjaka tamin-dreniny: «Ahoana no angatahanao an’i Abisaga Sonamita ho an’i Adoniasa? Angataho ho azy koa ny fanjakana; fa izy rahateo no zokiko, dia ho azy sy ho an’i Abiatara mpisorona ary ho an’i Jôaba zanak’i Sarvià.»
23Nianiana tamin’i Iaveh teo i Salômôna mpanjaka, nanao hoe: «Hataon’i Iaveh amiko anie izay ngidiny indrindra, raha tsy ho faty noho ny nanaovany an’izany teny izany i Adoniasa.
24Koa ankehitriny, velona i Iaveh ilay nampiorina sy nampipetraka ahy eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida raiko, sady nanorina trano ho ahy, araka ny voalazany rahateo, dia hovonoin-ko faty ihany i Adoniasa.»
25Dia nanendry an’i Banaiasa zanak’i Jôiadasa i Salômôna mpanjaka; nasian’io Adoniasa dia maty.
Ny nahafatesan’i Abiatara sy i Jôaba26Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Abiatara mpisorona: «Mandehana ianao mankany amin’ny taninao, any Anatôta, nefa noho ianao nitondra ny Fiaran’i Iaveh Tompo teo anatrehan’i Davida raiko, sy noho ianao nanana anjara tamin’ny fahoriana rehetra nahazo an’ikaky, dia tsy ataoko maty amin’izao andro izao ianao.»
27Koa nesorin’i Salômôna tsy ho mpisoron’i Iaveh intsony i Abiatara, ary tanterany tamin’izay ilay nolazain’i Iaveh tany Silao ny amin’ny fianakavian’i Helì.
28Tonga tao amin’i Jôaba izany vaovao izany satria niandany tamin’i Adoniasa i Jôaba, na dia tsy niandany tamin’i Absalôma aza. Ary nandositra tao amin’ny tabernaklan’i Iaveh i Jôaba, ka namikitra ny tandroky ny ôtely
29Ary nampandrenesina i Salômôna mpanjaka fa nandositra ao amin’ny tabernaklan’i Iaveh i Jôaba, ka tao anilan’ny ôtely izy; ka nirahin’i Salômôna i Banaiasa nataony hoe: «Mandehana asio izy.»
30Nony tonga tao amin’ny tabernaklan’i Iaveh i Banaiasa, dia nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’ny mpanjaka: ‹Mivoaha ianao.› » Fa hoy ny navaliny: «Tsia, fa ho faty eto aho.» Dia nakarin’i Banaiasa tamin’ny mpanjaka izany teny izany, nataony hoe: «Izany no teny nataon’i Jôaba, ary izany no navaliny ahy.»
31Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Banaiasa: «Dia ataovy araka ny voalazany, ka asio izy dia avelao, mba hanesoranao amiko sy amin’ny taranaky ny raiko, ny ra nalatsak’i Jôaba tsy misy antony akory.
32Hatsingerin’i Iaveh eo an-dohany ihany ny rany, fa olona roa lahy, marina sy tsara noho izy, no nasainy sy novonoiny tamin’ny sabatra, nefa tsy fantatr’i Davida raiko izany, dia i Abnera zanak’i Nera, filohan’ny tafik’i Israely, sy i Amasà, zanak’i Jetera, filohan’ny tafik’i Jodà.
33Ka ny lohan’i Jôaba sy ny lohan’ny taranany hatrany hatrany no hitsingerenan’ny ran’izy roa lahy ireo. Fa ny ho an’i Davida sy ny taranany mbamin’ny fianakaviany aman-tseza fiandrianany kosa, dia fiadanana lalandava avy amin’i Iaveh!»
34Dia niakatra i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, ka namely an’i Jôaba sy nahafaty azy, ary nalevina tany amin’ny fonenany tany an’efitra.
35I Banaiasa zanak’i Jôiadasa no nataon’ny mpanjaka filohan’ny tafika, ho solony, ary i Sadôka no nataon’ny mpanjaka mpisorona, ho solon’i Abiatara.
Tsy faneken’i Semeià sy ny nahafatesany36Nampiantso an’i Semeià koa ny mpanjaka, dia nilaza taminy hoe: «Manaova trano ho anao eto Jerosalema dia hitoeranao, ary tsy hialanao hivezivezy atsỳ amin’arỳ.
37Fa amin’izay andro hivoahanao hita ny ranondriaka Sedrôna no fantaro, fa tsy maintsy hahafatesanao, ary ho eo ambonin’ny lohanao ihany ny ranao.»
38Namaly ny mpanjaka i Semeià nanao hoe: «Tsara izany teny izany, ka hanao araka izany voalazan’ny mpanjaka tompoko izany ny mpanomponao.» Dia nitoetra andro maro be tany Jerosalema i Semeià.
39Kanjo nony afaka telo taona, dia sendra nandositra ny mpanompon’i Semeià roa lahy, tany amin’ny Akisa, zanak’i Maakà, mpanjakan’i Geta. Dia nilazana izany i Semeià, natao hoe: «Indro any Geta ny mpanomponao.»
40Dia nitsangana i Semeià, nankany amin’i Akisa, any Geta.
41Ary nambara tamin’i Salômôna, fa niala tao Jerosalema i Semeià nankany Geta, ka efa tafaverina.
42Dia naniraka olona hiantso an’i Semeià ny mpanjaka ka hoy izy taminy: «Tsy efa nampianiana anao tamin’i Iaveh va aho, sy nanome didy anao nanao hoe: Fantaro fa amin’ny andro hivoahanao hivezivezy atsỳ arỳ no tsy maintsy hahafatesanao! Ary tsy efa namaly va ianao, nanao tamiko hoe: Tsara izany teny izany?
43Ka nahoana àry ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin’i Iaveh sy ny didy nomeko anao?»
44Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Semeià: «Fantatrao, eny fantatry ny fonao, ny ratsy rehetra nataonao tamin’i Davida raiko, ka hatsingerin’i Iaveh amin’ny lohanao ny haratsianao.
45Fa i Salômôna mpanjaka kosa hambinina ary ny seza fiandrianan’i Davida hatao mafy orina mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh.»
46Dia nomen’ny mpanjaka didy i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, ka nivoaka namono an’i Semeià, ary maty izy. Ary niorina teo an-tanànan’i Salômôna ny fanjakana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.