Jenezy 7 - Malagasy Catholic Bible

1Hoy i Iaveh tamin’i Nôe: «Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin’izao olona miara-belona aminao izao, dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.

2Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy, no halainao ho ao aminao; ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao;

3ny voromanidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany tsy ho faty eto ambonin’ny tany, lahy sy vavy.

4Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho, mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina; ka hofongorako eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra nataoko.»

5Notanterahin’i Nôe avokoa izay rehetra nasain’i Iaveh ataony.

6Efa enin-jato taona izy tamin’ny nahatongavan’ny safodrano nanafotra ny tany.

7Niditra ao an-tsambo fiara i Nôe mbamin’ny zanany sy ny vadiny ary ny vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safodrano.

8Ny biby madio sy ny tsy madio, ny vorona sy izay rehetra mikisaka amin’ny tany;

9dia samy nanatona tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin’i Nôe, ao an-tsambo fiara, araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe.

10Ary nony afaka fito andro dia nibosasaka teto ambonin’ny tany ny safodrano.

11Tamin’ny taona fahenin-jato niainan’i Nôe, tamin’ny volana faharoa, andro fahafito ambin’ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin’ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon’ny lanitra,

12ary nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.

13Tamin’izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara i Nôe, nomban’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanakalahin’i Nôe, ary ny vadin’i Nôe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy;

14dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany isan-karazany, ny voronkely, ny mananelatra rehetra.

15Nanatona tsiroaroa izy ireo, avy amin’ny nofo rehetra manam-pofon’aina nankeo amin’i Nôe tao an-tsambo fiara.

16Lahy sy vavy, avy amin’ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe. Dia narindrin’i Iaveh teo ivohony ny varavarana.

Safotry ny rano ny tany

17Naharitra efapolo andro teo amin’ny tany ny safodrano. Nitombo be ny rano dia naingainy ny sambo fiara, ary nisavoana tambonin’ny tany.

18Mbola nitombo ny rano, ka nisondrotra dia nisondrotra tao amin’ny tany, ary ny sambo fiara nitsinkafona teny ambonin’ny rano.

19Nony efa nisondrotra teo ihany ny rano dia voasarony avokoa ny tendrombohitra avo rehetra, tambanin’ny lanitra manontolo.

20Ka tafasondrotra dimy ambin’ny folo hakiho nihoatra ny tendrombohitra voasarony izy.

21Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby dia, izay rehetra mandady amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.

22Maty daholo rehefa mety ho zavatra mitoetra amin’ny tany maina, rehefa mety ho zava-manam-pofon’aina teo am-bavorony.

23Ringana avokoa rehefa mety ho zavatra tambonin’ny tany, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa i Nôe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa.

24Dimampolo amby zato andro no nahatondraka ny rano tambonin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help