Tobia 14 - Malagasy Catholic Bible

1Toy izany no niafaran’ny tenin’i Tobia.

13. Niniva

Tatỳ aorian’ny nahiratany dia velona 42 taona i Tobia, ka nahita ny zanaky ny zafiny.

2Roa amby zato taona no totalin’ny andro niainany, ary nalevina tamim-panajana tany Niniva izy.

3Fa 56 taona izy, no tonga jamba, ary efa 60 taona izy vao nahiratra indray.

4Lany tamin’ny hafaliana avokoa ny andro sisa rehetra niainany, ary araka ny nandrosoany tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no nitomboan’ny fiadanana nankafiziny.

5Nony efa ho faty izy, nantsoiny ho eo akaikiny avokoa i Tobia zanany sy ny zafiny, zanak’io, fito mirahalahy, ka hoy izy taminy:

6«Efa akaiky ny faharavan’i Niniva, fa tsy maintsy tanteraka ny tenin’Andriamanitra ary ny rahalahintsika tafaely atỳ, lavitra ny tanin’i Israely dia hiverina any indray.

7Ka hisy mponina indray ny tanin’i Israely rehetra efa zary efitra teo iny; haorina indray ny tranon’Andriamanitra efa nodorana teo iny, ary hiverina any avokoa izay rehetra matahotra an’Andriamanitra.

8Handao ny sampiny ny firenena ka ho avy ao Jerosalema sy honina ao.

9Hifaly ao avokoa ny mpanjakan’ny tany rehetra mitsaoka an’ilay Mpanjakan’i Israely.

10Koa mihainoa ny rainareo, anaka, manompoa ny Tompo amim-pahamarinana, ary mikeleza aina hanao izay sitrany.

11Hafatrafaro ny zanakareo hanaraka ny rariny, hanao fiantrana, hahatsiaro an’Andriamanitra, ary hisaotra Azy mandrakariva amim-pahamarinana sy amin’ny heriny rehetra.»

12«Ankehitriny, anaka, mihainoa ahy, ka aza mitoetra amin’ity tanàna ity, fa amin’ny andro handevenanareo an-dreninareo eo akaikiko, amin’ny fasana iray ihany, dia miaingà hiala atỳ,

13satria hitako fa hahatarika ny fandravana azy ny tsy fahamarinan’i Niniva.»

Ny nahafatesany

14Koa nony maty ireniny, dia niala tany Niniva i Tobia mbamin’ny vady aman-janany sy ny zafiny ary niverina nankany amin’ny rafozany.

15Salama tsy marofy sy tratra antitra tsara no nahitany azy, dia izy no nikarakara an’ireo sy nanirina ny masony; nahazo ny lova rehetra tamin’ny tranon-dRagoela, ary nahita ny zanaky ny zanany hatramin’ny taranaka fahadimy izy.

16Nony efa velona 99 taona tamin’ny fahatahorany ny Tompo izy, dia tamin-kafaliana no nandevenan’ny zanany azy.

17Naharitra tamin’ny toe-piainana tsara sy fitondran-tena masina, ny fianakaviany aman-taranany rehetra, ka notiavin’Andriamanitra sy ny olombelona ary ny tany ama-monina rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help