1Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra;
misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro:
2fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana;
fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.
3Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana;
fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana.
4Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana;
fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.
5Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy;
fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana fifamihinana.
6Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana,
fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana.
7Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana;
fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana.
8Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana;
fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.
9Inona no soa an’izay miasa, amin’ny hasasarana iaretany?
10Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra
isasaran’ny zanak’olombelona;
11Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy:
ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa,
nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa
ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany
ka hatramin’ny fiafaràny.
12Ary hitako fa tsy misy soa ho azy ireo,
mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany:
13ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro,
sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra,
dia fanomezan’Andriamanitra izany.
14Fantatro fa haharitra mandrakizay,
izay ataon’Andriamanitra,
tsy misy tokony hanampiana an’izany na analana amin’izany.
Ka ny hahatahoran’ny olona azy,
no nanaovan’Andriamanitra an’izany.
15Ny atao izao dia efa nisy sahady,
ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady;
fa averin’Andriamanitra ny efa lasa.
16Izao koa no hitako, tatỳ ambany masoandro:
Ny fiketraham-pitsarana araka ny rariny,
dia ipetrahan’ny faharatsiana,
ary ho solon’ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana.
17Hoy aho anakampo:
Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy,
fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra
sy ny asa rehetra.
18Hoy aho anakampoko:
Ny amin’ny zanak’olombelona:
Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo,
19Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona,
dia ny anjaran’ny biby,
iray ihany no anjaran’izy roa tonta;
toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa;
fofon’aina iray no an’izy roa tonta;
ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby,
fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.
20Fitoerana iray, no alehan’ny zavatra rehetra:
vovoka no niavian’ny zava-drehetra;
ary vovoka no hiverenan’ny zava-drehetra.
21Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelona miakatra any ambony,
ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany?
22Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona,
mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany;
fa izany no anjarany.
Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.