1Misy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese,
ary misy solofo haniry avy amin’ny fakany.
2Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh,
dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina,
fanahin’ny fifidianana amam-paherezana,
fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.
3Ny fahatahorana an’i Iaveh no fototry ny fahafinaretany.
Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony izy,
na hanapaka araka izay ren’ny sofiny.
4Ny madinika hotsarainy ara-drariny,
ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina.
Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy,
ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.
5Fahamarinana no hisikinan’ny valahany
ary fatra-po mahatoky no ho fehinkibony.
6Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry,
ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy;
ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy, hiray toerana,
ka zaza no hiroaka azy.
7Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray,
ny zanak’ireo, hiray trano fandriana;
ary ny liona hihinam-bilona hoatry ny omby.
8Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana;
ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tavany
ao an-davaky ny baziliky.
9Tsy hisy hampidi-doza na handrava,
eran’ny tendrombohitra masina,
satria ny tany ho feno fahalalana an’i Iaveh,
toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.
Ny niverenan’ireo voasesitany10Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese,
voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa,
dia hotadiavin’ny firenena,
ary ho be voninahitra ny fonenany.
11Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo
haninjitra ny tanany fanindroany,
hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany,
izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta,
sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara,
Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina.
12Ary izy hanangam-paneva ho an’ny firenena,
hamory ny voasesitany amin’i Israely;
hanangona ny tafaely amin’i Jodà,
avy any amin’ny vazantany efatra.
13Ny fialofan’i Efraima ho foana;
ny fandrafian’i Jodà hitsahatra;
i Efraima tsy hialona an’i Jodà intsony;
ary i Jodà tsy handrafy an’i Efraima intsony.
14Hanidina amin’ny soroky ny Filistinina any andrefana izy,
ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana;
i Edôma sy i Moaba hasiany amin’ny tanany;
ary ny taranak’i Amôna, hanoa azy ireo.
15I Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin’i Ejipta,
sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin’ny herin’ny rivony,
dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito,
ka hataony azo aleha tsy ialàn-kapa eo.
16Dia hisy lalana halehan’ny vahoakany sisa,
izay sisa mbola ho hita any amin’ny tany Asirianina,
toy ny nisy halehan’i Israely,
tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.