Estera Grika 14 - Malagasy Catholic Bible

Vavak’i Estera

1Ny mpanjakavavy Estera koa, nahatsiaro tena ho efa eo am-bavalozan’ny fahafatesana, ka niantso vonjy tamin’ny Tompo.

2Napetrany ny akanjony kanto indrindra; fitafiam-pahoriana amam-pisaonana no nataony: nohosenany vovoka aman-davenona ny lohany, ho solon’ny zava-manitra sarobidy fanaony, nampijaliany mafy ny tenany, nombotany ny volony ka nataony tototra izany avokoa izao toerana fiaranany amin’ny fifaliana rehetra izao.

3Dia nanao izao vavaka izao tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely izy:

«Ry Tompo izay hany Mpanjakanay, vonjeo amin’izao fahaporitako izao aho, izay tsy manam-bonjy afa-tsy Ianao,

4fa ny loza manambana ahy ity, toa voatsapan’ny tanako sahady.

5Efa reko fahazaza, tao amin’ny fokon’ikaky, fa Ianao ry Tompo, efa nifidy an’i Israely tamin’ny firenena rehetra, sy nifidy ny razanay, tamin’ireo iray razana aminy rehetra, ho lovanao mandrakizay, ary efa notanterahinao hanasoavana azy avokoa ny fampanantenanao rehetra.

6Saingy nanota teo anatrehanao izahay, ka natolotrao ho eo an-tanan’ny fahavalonay,

7noho izahay nivavaka tamin’ny andriamanitr’izy ireo. Marina Ianao, ry Tompo!

8Ankehitriny anefa, tsy afa-pon’ny manandevo anay amin’ny fanompoana mangidy izy ireo, fa efa nametraka ny tanany teo an-tanan’ireo sampiny indray,

9nianianany ny hanafoana ny didy naloaky ny vavanao, handringana ny lovanao, hanakombona ny vavan’izay midera Anao, ary hamono ny voninahitry ny tempolinao sy ny ôtelinao,

10mba hisokafan’ny vavan’ny firenena hidera ny herin’ny sampy sy hankalaza mpanjaka nofo aman-dra mandrakizay.

11Aza atolotrao an’ireo izay tsinontsinona ny tehim-panjakanao, ry Tompo, mba tsy hihomehezan’izy ireo amin’ny faharavanay, fa atsingereno amin’izy ireo ny hevitra nokasainy, ary mamaiza ho fananarana ny hafa an’ilay nisafoaka voalohany taminay.

12Tsarovinao izahay, ry Tompo, ataovy manehoneho laza Ianao amin’izao andron’ny fahorianay izao, ary omeo hery aho, ry Mpanjakakan’ny andriamanitra sy Mpanapaka ny fahefana rehetra!

13Asio teny malina ao am-bavako, eo anatrehan’ilay liona, ary ovao ny fony hankahala ny fahavalonay, mba hahafaty azy, dia izy mbamin’izay rehetra miray hevitra aminy.

14Fa izahay kosa dia aoka ny tananao hanafaka anay, ary ampio aho, amin’izao izaho irery izao, tsy manana an’iza na iza, afa-tsy Ianao, ry Tompo! Ianao mahalala ny zavatra rehetra,

15ka fantatrao fa halako ny famirapiratan’ny ratsy fanahy, ary tsy tiako mainty ny fandrian’ny tsy mifora mbamin’ny hafa firenena rehetra.

16Fantatrao ny fahavozonana mahazo ahy, ary halako mihitsy ilay mari-pisandratako atao eo an-dohako, amin’ireo andro tsy maintsy hisehoako ho hita; halako toy ny lamba maloto izy, ka tsy mitondra azy aho, amin’ny andro ahazoako mipetraka amin’ny mangingina.

17Tsy mbola nihinana teo amin’ny latabatr’i Amàna, na oviana na oviana, ny ankizy vavinao, na nanao ho zavatra izay fanasan’ny mpanjaka, na nisotro izay divay tamin’ny fanatitra araraka.

18Na oviana na oviana hatrizay nitondrana ahy nanketo ka mandrak’androany, tsy mba nisy fifaliana nankafizin’ny ankizy vavinao, afa-tsy taminao izahay, ry Tompo Andriamanitra, Andriamanitr’i Abrahama!

19Ry Andriamanitra mahefa noho ny hafa rehetra, henoy ny vavak’izay tsy manan-kantenaina afa-tsy Ianao, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izahay, ary esory amin’izao tebitebiko izao!»

Vakina manarakaraka ny toko 4,8.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help