Salamo 137 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 137 (Volgata 136)Alahelon’olona voasesitany

1Teo amoron’ny onin’i Babilôna,

dia nipetraka sy nitomany izahay,

nahatsiaro an’i Siôna.

2Teo amin’ny hazo malahelo eo an-dohasahany,

no nahantonay ny harpanay.

3Fa teo izahay dia nangatahin’ireo nitana anay am-pahababoana,

hanao hiram-pivavahana sy hira fiderana;

nangatahan’ireo mpampahory anay hira fifaliana izahay:

Manaova hiran’i Siôna ho anay ianareo.

4Hataonay ahoana no fihira ny hiran’i Iaveh

any an-tanin’ny olona hafa firenena?

5Na oviana na oviana raha manadino anao aho, ry Jerosalema,

aoka hanadino tsy hahetsika ny tanako ankavanana!...

6Aoka hiraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako,

raha mitsahatra ny mihevitra anao aho,

raha tsy i Jerosalema no ataoko

loha laharana amin’ny fifaliako!

7Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak’i Edôma,

fony tamin’ny andron’i Jerosalema,

dia hoy ireny: «Ravao! ravao! izy,

hatramin’ny fotony!»

8Ry zanaka vavin’i Babilôna voatolotra ho amin’ny fandringanana,

sambatra izay hamaly anao,

araka ny ratsy nataonao taminay.

9Sambatra izay hisambotra sy hanorotoro,

ny zanakao madinika amin’ny vato!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help