1Miderà an’i Iaveh, fa tsara fo Izy,
fa mandrakizay ny famindram-pony!
2Aoka i Israely hilaza hoe:
«Eny, mandrakizay ny famindram-pony!»
3Aoka ny taranak’i Aarôna hilaza hoe:
«Eny, mandrakizay ny famindram-pony!»
4Aoka izay matahotra an’i Iaveh hilaza hoe:
«Eny, mandrakizay ny famindram-pony!»
Eny am-pandehanana5Niantso an’i Iaveh, tao anatin’ny fahoriako aho;
ary namaly ahy i Iaveh, ka nampahalalaka ahy.
6I Iaveh no miandany amiko
ka tsy matahotra na inona na inona aho;
hahefa inona amiko izay olombelona?
7I Iaveh no miandany amiko, eo amin’izay mamonjy ahy,
dia hahita ny faharavan’ireo mankahala ahy aho.
8Aleo mitady fialofana amin’i Iaveh,
toy izay mitoky amin’olombelona.
9Aleo mitady fialofana amin’i Iaveh,
toy izay mitoky amin’ny mpanapaka.
10Ny firenena rehetra nitangorona tamiko;
izaho kosa mandripaka azy, amin’ny Anaran’i Iaveh.
11Izy ireo nitangorona tamiko sy nanarona ahy,
izaho kosa mandripaka azy, amin’ny Anaran’i Iaveh.
12Nitangorona tamiko tahaka ny renitantely izy ireo;
nefa maty toy ny afon-tsilo:
izaho kosa mandripaka azy amin’ny Anaran’i Iaveh.
13Ianao nandronjina ahy mafy handavo ahy,
fa i Iaveh kosa namonjy ahy.
14I Iaveh no heriko sy fihirako;
Izy no famonjena ahy.
15Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako
ao an-dain’ny marina.
Fa naneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Iaveh.
16Tsy ho faty aho fa ho velona,
ka hitory ny asan’i Iaveh.
17Tsy ho faty aho fa ho velona,
ka hitory ny asan’i Iaveh.
18Nofaizin’i Iaveh mafy aho,
nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana.
Tonga eo anoloan’ny Tempoly ny mpitarika19Amohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho,
mba hidirako, sy hiderako an’i Iaveh.
Ny mpisorona20Ity no vavahadin’i Iaveh,
ny marina no mahazo miditra eo.
Ny filohan’ny vahoaka21Hankalaza Anao aho fa namaly vavaka ahy Ianao,
ka efa famonjena ahy Ianao.
22Ny vato narian’ny mpanorina,
dia tonga fehizoro.
Ny mpisorona23Asa vitan’i Iaveh izany,
ka zava-mahagaga eo imasontsika.
Ny vahoaka miditra24Ity no andro nataon’i Iaveh,
mifalia sy miravoravoa isika.
25Ry Iaveh ô, omeo ny famonjena!
Ry Iaveh ô, omeo ny fanambinana!
Ny mpisorona miteny amin’ny mpitarika26Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’i Iaveh!
Mitso-drano anareo, avy ao an-tranon’i Iaveh izahay!
27Andriamanitra i Iaveh; mampamirapiratra ny fahazavana amintsika Izy.
Ny mpisorona miteny amin’ny vahoakaRohizo kofehy ny sorona,
hatreo amin’ny tandroky ny ôtely.
Ny vahoaka28Ianao no Andriamanitro, ka hidera Anao aho;
Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.
Miaraka daholo29Mankalazà an’i Iaveh fa tsara fo Izy,
mandrakizay ny famindram-pony!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.