1Indrisy! Ity izaho toy ny rehefa vita ny fitoazam-boankazo fahavaratra,
toy ny rehefa vita ny fitsimponam-boaloboka efa voaoty:
tsy misy salohy iray akory hohanina!
Ny voaloham-boan’aviavy, izay tsiriritin’ny fanahiko,
tsy misy na iray aza.
2Efa niala tsy hita eto an-tany intsony ny olona tia vavaka,
ary tsy misy marina intsony amin’ny olombelona.
Fa izy rehetra samy manotrika handatsa-dra;
samy mihaza ny rahalahiny sy mamela-pandrika aminy avokoa
3Ny ratsy dia efa eo ny tanana hahatontosa azy;
ny mpanapaka, mamoritra; ny mpitsara, mametra izay kolikoly ho azy,
ary ny lehibe mampiharihary ny fitsiriritany;
dia indray mifoko hanao ny ratsy izy.
4Ny tsara indrindra aminy, no toy ny tsilo;
ny mahitsy indrindra, ratsy noho ny fefy roy.
- Tonga ny andro voalazan’ny tilinao,
tonga ny andro famaizana anao;
amin’izao dia efa safo-kenatra izy ireo! -
5Aza mino izay sakaiza ianareo,
na matoky izay ifankazarana indrindra:
na eo anatrehan’ilay mandry eo am-pofoanao aza
dia tano ny teny ao am-bavanao!
6Fa ny zanaka lahy manao amin-drainy hoe adala;
ny zanaka vavy mitsangan-kanohitra ny reniny;
ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-bavy;
samy manana ho fahavalony ny olona amin’ny ankohonany ihany.
7Fa izaho kosa hitodi-maso amin’i Iaveh,
hanantena ny Andriamanitry ny famonjeko;
hihaino ahy ny Andriamanitro.
4. FANANTENANAI Siôna tevatevain’ny fahavalo8Aza mifaly noho ny amiko, ry ikala fahavaloko,
fa na lavo aza aho, mbola hiarina;
na mitoetra amin’ny maizina aza aho,
i Iaveh no fahazavako.
9Hivesatra ny fahatezeran’i Iaveh aho,
satria nanota taminy,
mandra-piaikiny ny hiaro ahy amin’ny adiko,
sy hampiharihariako ny rariny momba ahy;
havoakany aho ho amin’ny mazava,
dia hibanjina ny fahamarinany.
10Hahita izany anie ikala fahavaloko,
ka ho safo-kenatra anie izy,
dia izy ilay nanao tamiko hoe:
Aiza izay Iaveh Andriamanitrao?
Hibanjina azy ny masoko:
amin’izao dia hohitsakitsahina izy,
toy ny fotaka eny amin’ny arabe.
Tenin’Andriamanitra manambara fiarenana11Ho avy ny andro hananganana ny mandanao indray;
amin’izany andro izany hofoanana ny didy.
12Amin’izany andro izany, ho tonga hatraty aminao ny olona,
avy any Asiria sy avy any amin’ireo tanànan’i Ejipta
avy any Ejipta, ka hatrany amin’ny ony,
hatramin’ny ranomasina iray
ka hatramin’ny ranomasina hafa,
ary hatramin’ny tendrombohitra iray,
ka hatramin’ny tendrombohitra hafa.
13Hanjary efitra ny tany,
noho ny amin’ny mponina ao aminy:
izany no vokatry ny asany.
Vavaka mba hangaihay ny firenen-kafa14Andraso amin’ny tehinao ny vahoakanao
dia ny ondry lovanao,
izay monina mitokana any an’ala, eo afovoan’i Karmela;
aoka hiraoka any Basàna sy any Galaada izy,
toy ny tamin’ny andro taloha.
15Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta,
haneho zava-mahagaga aminy Aho.
16Hahita izany ireo firenena,
ka hahamenatra azy avokoa ny heriny rehetra;
hitampim-bava izy ireo,
hangintsingintsina ny sofiny.
17Hilela-bovoka, toy ny menarana izy;
ary toy ny bibilavan’ny tany,
dia hivoaka amin-tahotra miala amin’ny fiereny;
hanatona an’i Iaveh Andriamanitsika, amin-kovitra, izy,
ary hatahotra anareo.
Fangatahana famelan-keloka amin’Andriamanitra18Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana,
ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao?
Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany
fa ny mamindra fo no sitrany.
19Hamindra fo amintsika indray Izy
ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika.
Harianao any ambany ranomasina, ny fahotany rehetra;
20hampiseho amin’i Jakôba ny fahamarinanao Ianao,
sy amin’i Abrahama ny famindram-ponao;
izay efa nianiananao tamin’ny razanay
hatramin’ny andro fahataloha.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.