1Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mandehana indray, mitiava vehivavy izay tian’ny lehilahiny anankiray ka manitsakitsa-bady: tahaka ny itiavan’i Iaveh ny zanak’i Israely, nefa izy ireo kosa mivadika mankany amin’andriamani-kafa, sady tia ny ampempam-boaloboka.»
2Novidiko sikla volafotsy 15 sy orja iray homera, ary orja iray leteka, izy;
3dia hoy Aho taminy: «Ianao hijanona eo, ho Ahy, mandritra ny andro maro; tsy hijangajanga, tsy ho an’ny lehilahy hafa ianao; ary Izaho koa hanao torak’izany aminao.
4Fa mandritra ny andro maro ny zanak’i Israely no hitoetra tsy mana-mpanjaka, tsy mana-mpanapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manana efôda ary tsy manan-terafima.
5Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.