Salamo 84 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 84 (Volgata 83)Hira fivahiniana masina

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitiena. Salamon’ny zanak’i Kôre.

2Mahatehotia loatra ny fonenanao,

Ry Iavehn’ny tafika!

3Trotraka ny fanahiko misento, manina ny kianjan’i Iaveh;

mientana ho amin’Andriamanitra velona, ny foko sy ny nofoko.

4Ny fody aza, mahita fonenana,

ny sindintsidina koa mahita akany hametrahany ny zanany;

ny ôtelinao, ry Iavehn’ny tafika,

ry mpanjakako sy Andriamanitro!

5Sambatra izay monina ao an-tranonao!

Mbola mahazo midera Anao izy ireo!

- Selà

6Sambatra izay olona manana ny heriny ao aminao;

tsy mihevitra afa-tsy ny fiakarana masina izy.

7Raha mamaky ny lohasahan-dranomaso izy,

ovany ho fitoerana feno loharano izany,

ary ny ranonoram-pararano mandrotsaka fanambinana aminy.

8Mitombo hery eny am-pandehanana izy,

ary miseho eo anatrehan’Andriamanitra any Siôna:

9Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô, hoy izy, henoy ny fivavahako,

mandrenesa, ry Andriamanitr’i Jakôba!

- Selà

10Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo,

ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!

11Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo;

aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro,

toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.

12Fa masoandro aman’ampinga, i Iaveh Andriamanitra;

manome fahasoavana amam-boninahitra i Iaveh,

tsy misy zava-tsoa tsy omeny an’izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny.

13Ry Iavehn’ny tafika,

sambatra izay olona mitoky aminao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help