Salamo 110 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 110 (Volgata 109)Ny Mesia Mpisorona

1 Salamon’i Davida.

I Iaveh nilaza tamin’ny Tompoko hoe:

Mipetraha eo ankavanako ianao,

mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

2Hanitatra ny tehina fanapahanao, avy ao Siôna i Iaveh:

manjakà amim-pahefan’ny Tompo eo amin’ny fahavalonao ianao!

3Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao,

mitondra ny fanamiana masina:

avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana,

dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.

4Efa nianianan’ny Tompo ka tsy hanenenany izao:

Mpisorona mandrakizay Ianao,

araka ny fomban’i Melkisedeka.

5Eo ankavananao ny Tompo,

handripaka ny mpanjaka Izy amin’ny andron’ny fahatezerany.

6Manao ny fitsaràny any amin’ny firenena Izy,

feno faty hatraiza hatraiza;

manorotoro ny loha eo amin’ny tany tontolo Izy.

7Misotro amin’ny renirano izy eny an-dalana,

ka izany no itrakan’ny lohany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help