Bokin’i Daniela 3 - Malagasy Catholic Bible

FIVAVAHANA AMIN’ILAY SARIVONGANA VOLAMENANanangana sarivongana volamena i Nabokodonozora

1Ary i Nabokodonozora mpanjaka nanao sariolona volamena enimpolo hakiho ny haavony, enina hakiho ny sakany, natsangany teo amin’ny tanilemaka Dorà ao amin’ny faritanin’i Babilôna.

2Dia nasain’i Nabokodonozora mpanjaka nivory ny solo-mpanjaka, ny masoivoho, ny governora, ny andriambaventy, ny mpitahiry volam-panjakana, ny mpahay lalàna, ny mpitsara, ary ny mpifehy rehetra isam-paritany mba ho tonga hanatrika ny fitokanana ilay sariolona natsangan’i Nabokodonozora mpanjaka.

3Koa nivory ny solo-mpanjaka, ny masoivoho, ny governora, ny andriambaventy, ny mpahay lalàna, ny mpitsara, mbamin’ny mpifehy rehetra isam-paritany, ho amin’ny fitokanana ny sariolona natsangan’i Nabokodonozora mpanjaka, ary nitsangana teo anatrehan’ity sariolona natsangan’i Nabokodonozora izy ireo.

4Nisy mpikabary niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Izao no ampahalalaina anareo vahoaka amam-pirenena sy samihafa fiteny:

5Raha vao renareo ny feon’ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny sambòka, ny valiha, ny farara, mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, dia miankohofa ianareo, hitsaoka ny sariolona volamena natsangan’i Nabokodonozora mpanjaka.

6Na zovy na zovy tsy miankohoka sy tsy mitsaoka, dia hatsipy miaraka amin’izay, ao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay.»

7Ka raha vao ren’ny vahoaka rehetra ny feon’ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny sambòka, ny valiha, mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny, nitsaoka ny sariolona natsangan’i Nabokodonozora mpanjaka.

Fiampangana sy fanamelohana ny Jody

8Tamin’izay kosa dia tamin’io fotoana io indrindra, nisy Kaldeanina nanatona, nanaratsy ny Jody.

9Niteny izy ireo ka nanao tamin’i Nabokodonozora mpanjaka, hoe: «Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao!

10Ianao, ry mpanjaka, efa namoaka didy, fa ny olona rehetra handre ny feon’ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny sambòka, ny valiha, ny farara, mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, dia tsy maintsy miankohoka hitsaoka ny sariolona volamena;

11ary na zovy na zovy tsy hiankohoka hitsaoka, dia hatsipy amin’ny memy mirehitra afo mivaivay.

12Misy kosa anefa Jody, notendrenao ho tonian’ny raharaha amin’ny fehin’i Babilôna, dia i Sidràka, i Misàka, i Abdenegao, ka ireo olona ireo mamotsifotsy anao, ry mpanjaka; tsy manompo ny andriamanitra ary tsy miankohoka eo anatrehan’ny sariolona volamena natsanganao.»

13Tamin’izay tezitra sy nisafoaka i Nabokodonozora, ka nasainy nalaina i Sidràka, i Misàka, i Abdenegao, dia nentina ho eo anatrehan’ny mpanjaka, izy telo lahy ireo.

14Dia niteny i Nabokodonozora, ka nanao tamin’ireo hoe: «Fanahy inianareo va, ry Sidràka, Misàka ary Abdenegao, no tsy anompoanareo ny andriamanitro sy tsy itsaohanareo ny sariolona volamena natsangako?

15Ankehitriny, moa vonon-kiankohoka hitsaoka ny sariolona nataoko ianareo, raha vao mandre ny feon’ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny sambòka, ny valiha, ny farara mbamin’ny zava-maneno isan-karazany? Fa raha tsy mitsaoka azy ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay, ao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay, ka iza moa no andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako?»

16Fa namaly i Sidràka, i Misàka, ary i Abdenegao, ka nanao hoe: «Ry Nabokodonozora ô, tsy misy tokony havalinay anao.

17Raha mahavonjy anay tokoa ny Andriamanitra tompoinay, dia hovonjeny amin’ny memy mirehitra afo mivaivay sy amin’ny tananao izahay, ry mpanjaka ô!

18Ary na tsy hataony aza izany, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa tsy hanompo izay andriamanitrao izahay, na hiankohoka eo anatrehan’izay sariolona volamena natsanganao.»

19Dia feno fahatezerana i Nabokodonozora, ary niova tamin’i Sidràka sy i Misàka ary i Abdenegao ny tarehiny. Nanohy niteny indray izy, ka nasainy nohafanaina ny memy impito mihoatra noho ny niheveran’ny olona ny tokony hanafanana azy;

20ary ny miaramila sasany izay matanjaka indrindra amin’ny tafiny, no nasainy namatotra an’i Sidràka, i Misàka, i Abdenegao, sy hanipy ireo ao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay.

21Tamin’izay ireo lehilahy ireo mbola miakanjo ny akanjo vitiny, ny akanjo lavany, ny kapaotiny, mbamin’ny fitafiany rehetra, dia nafatotra sy natsipy tao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay.

22Noho ny tenin’ny mpanjaka efa nahamaika, sady tafahoatra loatra ny namanàna ny memy, dia matin’ny lelafo ireo lehilahy nanipy an’i Sidràka, i Misàka sy i Abdenegao tao.

23Ary izy telo lahy kosa, i Sidràka, i Misàka, i Abdenegao, dia voatsipy am-patorana tao anatin’ny memy mivaivay.

Izao manaraka izao, tsy hitako tao amin’ny boky hebrio.

Tononkiran’i Azariasa tao anaty afo(Jereo Dan Gr 9,3-19; Esd 9,6-15)

24Tao anatin’ny lelafo izy ireo, dia nandehandeha, nidera an’Andriamanitra sy nisaotra ny Tompo.

25Ary i Azariasa, nitsangana nanao ity fivavahana ity; ka niloa-bava tao afovoan’ny lelafo nanao hoe:

26 «Hisaorana anie Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny razanay;

mendrika homen-dera amam-boninahitra mandrakizay ny Anaranao;

27 fa marina Ianao amin’izay rehetra nataonao taminay,

ary marina avokoa ny asanao rehetra;

mahitsy ny lalanao, ary an-drariny ny fitsarànao.

28 Satria fitsarana an-drariny no nataonao,

tamin’ny loza rehetra nentinao namely anay,

sy namely an’i Jerosalema, tanàna masin’ny razanay;

fitsarana an-drariny no nanaovanao izany rehetra izany

noho ny fahotana nataonay.

29 Satria nanota sy nanao ratsy izahay nihataka taminao,

ary diso tamin’ny zavatra rehetra.

30 Tsy nihaino ny didinao izahay

ary tsy nitandrina izany,

sady tsy nanao izay nandidianao anay,

izay hany ho nahasambatra anay.

31 Izay rehetra nentinao namely anay,

izay rehetra nataonao taminay

dia fitsarana an-drariny no nanaovanao izany.

32 Nanolotra anay ho eo an-tanan’ny fahavalo ratsy Ianao,

dia ireo mpivadika mikiry hamely anay,

sy ny mpanjaka faran’izay ratsy sy loza be indrindra eto an-tany.

33 Ary ankehitriny izahay tsy sahy miloa-bava,

voan’ny henatra aman-datsa ny mpanomponao,

mbamin’izay rehetra mitsaoka Anao.

34 Aza dia ho voatolotrao mandrakizay anie izahay noho ny amin’ny Anaranao,

ary aza dia foananao ny fanekenao.

35 Aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao,

noho ny amin’i Abrahama sakaizanao,

sy i Isaaka mpanomponao

ary i Israely masinao,

36 izay nampanantenainao hampitomboin-taranaka

ho toy ny kintana eny an-danitra,

sy ny fasika eny amoron-dranomasina.

37 Fa efa nahena teo imason’ny firenena rehetra izahay, Tompo ô,

sady voaetry ankehitriny amin’ny tany rehetra,

noho ny fahotana nataonay.

38 Amin’izao fotoana izao izahay tsy manana

mpanapaka na mpifehy, na mpaminany,

na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra,

na fitoerana hanateranay ny voaloham-bokatray

eo anatrehanao ka hahitanay famindram-po.

39 Nefa, Tompo ô, aoka ho voaray ihany anie izahay

amin’izao fonay torotoro sy fanahy manetry tena

40 toy ny andraisanao ireo sorona ondralahy aman’ombalahy

na zanak’ondry matavy arivo;

aoka ho toy izany ny soronay ankehitriny eo anatrehanao,

mbamin’ny fanekenay anao,

fa tsy hahazo henatra izay mametraka ny fitokiany aminao.

41 Ankehitriny izahay manaraka Anao amin’ny fonay rehetra,

matahotra Anao sy mitady ny Tavanao.

42 Aza atao fola-tana-manondro izahay

fa ento araka ny hamoram-ponao

sy araka ny haben’ny famindram-ponao!

43 Vonjeo amin’ny fahagagana ataonao izahay,

ary omeo voninahitra ny Anaranao, Tompo ô!

44 Aoka ho menatra izay rehetra manisy ratsy ny mpanomponao,

aoka ho safo-kenatra noho ny fahaverezan’ny fahefany rehetra;

ary ho torotoro ny tanjany;

45 aoka ho fantany fa Ianao no Tompo sy Andriamanitra tokana

ary mpanjaka be voninahitra amin’ny tany rehetra.»

46Ireo mpanompon’ny mpanjaka izay nanipy azy telo lahy tao anatin’ny memy, izany, tsy nitsahatra ny namàna azy tamin’ny solika, vorovoro-drongony, ditin-kazo, aman-drantsam-boaloboka.

47Nisondrotra efapolo hakiho teo ambonin’ny memy ny lelafo,

48ka nahamay ireo Kaldeanina tratrany teo akaikin’ny memy niantsampazany.

49Fa nidina nankeo amin’ny memy kosa niaraka tamin-dry Azariasa sy ny namany ilay anjelin’ny Tompo ka nahàtany tsy ho eo amin’ny memy ny lelafo;

50ary ny teo afovoan’ny memy, nataony toy ny nifofofofoan’ny rivotra mandefa ranonando; ary tsy nikasika azy ireo akory ny lelafo, sady tsy nandratra na nampaninona azy kely akory.

Tononkiran’izy telo lahy

51 Koa indray nidera sy nankalaza ary nisaotra an’Andriamanitra toy ny vava iray ihany izy telo lahy tao anatin’ny memy nanao hoe:

52 «Isaorana Ianao, ry Tompo, Andriamanitry ny razanay

mendrika hoderaina sy homem-boninahitra ary hankalazaina mandrakizay.

Isaorana ny Anaranao masina sy be voninahitra,

mendrika ny fiderana ambony indrindra

sy ny fankalazana mandrakizay.

53 Isaorana Ianao ao amin’ny tempolin’ny voninahitrao masina

mendrika ny dera amam-boninahitra ambony indrindra mandrakizay.

54 Isaorana Ianao, ao amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakanao

mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.

55 Isaorana Ianao, izay maninteraka ny hantsana ny fijerinao

mipetraka eo ambonin’ny Kerobima,

mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.

56 Isaorana Ianao, eo amin’ny habakabaky ny lanitra,

mendrika ny dera amam-boninahitra mandrakizay.

57 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan’ny Tompo,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

58 Isaory ny Tompo, ry Anjelin’ny Tompo,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

59 Isaory ny Tompo, ry lanitra,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

60 Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin’izay rehetra eny ambonin’ny lanitra;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

61 Isaory ny Tompo, ry fahefan’ny Tompo,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

62 Isaory ny Tompo, ry masoandro amam-bolana,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

63 Isaory ny Tompo, ry kintan’ny lanitra;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

64 Isaory ny Tompo, ry orana aman’ando;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

65 Isaory ny Tompo, ry rivotra alefan’Andriamanitra;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

66 Isaory ny Tompo, ry afo aman-kafanàna;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

67 Isaory ny Tompo, ry hatsiaka aman-kafanàna;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

68 Isaory ny Tompo, ry ando amam-panala,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

69 Isaory ny Tompo, ry erika mangatsiaka amam-panala;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

70 Isaory ny Tompo, ry ranomandry aman’oram-panala;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

71 Isaory ny Tompo, ry andro aman’alina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

72 Isaory ny Tompo, ry mazava sy maizina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

73 Isaory ny Tompo, ry helatra aman-drahona maizina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

74 Aoka ny tany hisaotra ny Tompo,

aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.

75 Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

76 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry zava-maniry amin’ny tany,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

77 Isaory ny Tompo, ry loharano;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

78 Isaory ny Tompo, ry ony aman-dranomasina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

79 Isaory ny Tompo, ry biby ngeza

mbamin’izay mihetsiketsika rehetra ao anaty rano,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

80 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry voromanidina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

81 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry bibidia amam-biby fiompy;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

82 Isaory ny Tompo, ry zanak’olombelona;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

83 Aoka i Israely hidera ny Tompo,

aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.

84 Isaory ny Tompo, ry mpisoron’ny Tompo;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

85 Isaory ny Tompo, ry mpanompon’ny Tompo;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

86 Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin’ny marina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

87 Isaory ny Tompo, ry olo-masina

sy ianareo manetry tena ao am-po;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

88 Isaory ny Tompo, ry Ananiasa sy Azariasa sy Misaely;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Fa nanesotra antsika tamin’ny Seoly Izy,

ary nanafaka antsika tamin’ny herin’ny fahafatesana;

namonjy antsika tamin’ny memin’ny afo mamaivay Izy;

ary nanesotra antsika teo afovoan’ny afo.

89 Ankalazao ny Tompo, fa tsara fo izy;

fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.

90 Ianareo rehetra, olona tia vavaka;

misaora ny Tompo, Andriamanitry ny andriamanitra;

derao Izy ary ankalazao, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.»

Miaiky ny zava-mahagaga i Nabokodonozora

91Talanjona loatra tamin’izay i Nabokodonozora mpanjaka, ka nitsangana faingana. Niteny izy ka nanao tamin’ireo mpanolo-tsainy hoe: «Tsy olona telo lahy nifatotra va no natsipintsika tao anatin’ny memy?» Dia hoy ny navalin’ireo ny mpanjaka: «Izany tokoa, ry mpanjaka.» Ary hoy izy niteny indray: «Izaho anefa, indreo, mahita efa-dahy tsy mifatotra,

92mandehandeha ao afovoan’ny afo, tsy misy maninomaninona akory, ary ny fijery an’ilay fahefatra hoatra ny zanak’andriamanitra.»

93Dia nanatona ny varavaran’ny memy mirehitra mivaivay i Nabokodonozora, ka dia niteny izy nanao hoe: «Ry Sidràka sy Misàka sy Abdenegao, mpanompon’Andriamanitra avo indrindra, mivoaha ary avia.» Dia nivoaka avy ao afovoan’ny afo, i Sidràka sy i Misàka sy i Abdenegao.

94Ary nivory ny solo-mpanjaka, ny masoivoho, ny governora mbamin’ny mpanolo-tsain’ny mpanjaka, nijery ireto olona, ka tsy nahefa na inona na inona tamin’ny vatany ny afo, tsy nisy may ny volon-dohany, tsy niova akory ny akanjony, na nisy fofon’afo akory.

95Niteny i Nabokodonozora ka nanao hoe: «Hisaorana anie ny Andriamanitr’i Sidràka sy i Misàka sy i Abdenegao, fa naniraka ny Anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy sy nandika ny didin’ny mpanjaka, ary nanolo-tena mba tsy hanompo na hitsaoka andriamani-kafa afa-tsy ny Andriamaniny ihany.

96Ka izao no lalàna avoaka amin’ny Anarako: Ny olona rehetra na inona fokony, na inona firenena amam-piteniny, izay miteny ratsy ny Andriamanitr’i Sidràka sy i Misàka sy i Abdenegao, dia hotetehina madinika, sady hatao fanarian-java - maloto ny tranony, satria tsy misy andriamani-kafa mahay mamonjy hoatra izany.»

97Tamin’izay ny mpanjaka, nanambina an’i Sidràka sy i Misàka ary i Abdenegao, teo amin’ny faritanin’i Babilôna.

NOFY MANAMBARA ZAVATRALasa adala i Nabokodonozora

98Ho an’ny foko sy firenena amam-piteny samihafa rehetra, i Nabokodonozora mpanjaka: Homena fiadanam-be anie ianareo.

99Noheveriko ho mety ny manambara ny famantarana amam-pahagagana nataon’Andriamanitra Avo indrindra tamiko.

100Akory ny halehiben’ny famantarany; akory ny herin’ny fahagagany! Fanjakana mandrakizay ny fanjakany: ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fanapahany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help