Salamo 62 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 62 (Volgata 61)Andriamanitra, hany fanantenana

1 Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Davida.

2Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana,

Izy no iavian’ny famonjena ahy.

3Eny, Vatolampiko amam-pamonjena ahy Izy,

Trano mimandako, ka tsy hangozohozo indrindra aho.

4Mandra-pahoviana no hiantorahanareo amin’olona,

mba hiarahanareo mandrodana azy,

toy ny fandrodanana tamboho mitongilana,

tahaka ny manda efa mihotsaka?

5Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo;

mifaly amin’ny lainga izy,

ny vavany misaotra,

ny fony anefa manozona!

- Selà

6Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin’Andriamanitra,

fa avy aminy no iavian’ny fanantenako.

7Eny, Vatolampiko amam-Pamonjena ahy Izy,

Trano mimandako, ka tsy hangozohozo aho.

8Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro.

Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.

9Matokia Azy mandrakariva, rey vahoaka;

aborahy eo anatrehany ny fonareo;

Andriamanitra no fialofantsika.

- Selà

10Eny, zava-poana ny olombelona,

fitaka ny zanak’olombelona.

Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy

izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.

11Aza matoky ny fanovana an-keriny,

ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna.

Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo.

12Efa niteny indray mandeha Andriamanitra,

na indroa, ka nahare aho:

An’Andriamanitra ny fahefana.

13Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo,

fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help