1 Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.
Raha tsy nomba antsika i Iaveh,
- aoka i Israely hitory izany, -
2raha tsy nomba antsika i Iaveh,
fony nitsangan-kamely antsika ny olona...
3ho nateliny velona mihitsy isika,
raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
4ho natelin’ny rano isika,
ho nandeha teo ambonin’ny fanahintsika ny riaka be.
5Tao ambonin’ny fanahintsika
no ho nandehanan’ny rano mirimorimo.
6Hisaorana anie i Iaveh,
fa tsy natolony tamin’ny nifin’ireo isika.
7Afaka ny fanahintsika toy ny fody nitsoaka
tamin’ny fandrika haraton’ny mpihaza:
tapaka ny fandrika dia afaka isika.
8Ny famonjena antsika dia amin’ny Anaran’i Iaveh,
izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.