2Tantara 11 - Malagasy Catholic Bible

Fihetsiketsik’i Rôbôama(Jereo 1Mpa 12,21-24)

1Nony tafaverina tany Jerosalema i Rôbôama, dia namory ny taranak’i Jodà sy i Benjamina, mpiady voafantina 180.000, hiady amin’i Israely hampody ny fanjakana amin-dRôbôama.

2Kanjo tonga tamin’i Semaiasa olon’Andriamanitra, ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

3«Mitenena amin-dRôbôama, zanak’i Salômôna, mpanjakan’i Jodà, sy amin’i Israely rehetra eo amin’i Jodà sy i Benjamina ka lazao hoe:

4Izao no lazain’i Iaveh: Aza miakatra ary aza miady amin’ny rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy ianareo, satria avy amiko no nahatonga izao zavatra izao». Dia nihaino ny tenin’i Iaveh izy ireo, ka nody fa tsy nandeha hiady tamin’i Jerôbôama.

5Nitoetra tao Jerosalema i Rôbôama; ary nanorina tanàna mimanda tamin’i Jodà.

6Izao no naoriny: i Betlehema, i Etama, i Tekôe,

7i Betsora, i Sôkô, i Odolama,

8i Geta, i Maresà, i Zifa,

9i Adôrama, i Lakisa, i Azekà,

10i Saraà, i Aialôna ary i Hebrôna; tanàna mimanda ao amin’i Jodà sy i Benjamina ireo.

11Namboariny ny trano mimanda ho afa-manohana, dia nanisy mpanapaka sy trano fitahirizan-kanina aman-diloilo sy divay tao aminy izy.

12Samy nametrahany ampinga aman-defona avokoa ny tanàna dia nataony mahery fatratra. I Jodà sy i Benjamina dia azy.

Ireo mpisorona sy Levita nankeo amin’i Rôbôama

13Ny mpisorona sy Levita izay teo amin’i Israely rehetra, dia tonga nanatona an-dRôbôama, avy any amin’ny faritaniny rehetra avy.

14Fa nandalo ny tanim-piandrasam-biby sy ny fananany ny taranak’i Levì, ka nankany Jodà sy i Jerosalema, satria ny zanany dia nesorin’i Jerôbôama tamin’ny raharaham-pisoronana fankalazana an’i Iaveh,

15fa nanangana mpisorona izy io ho amin’ny fitoerana avo sy ho an’ny osilahy, ary ho an’ny zanak’omby nataony.

16Nanaraka azy ireo koa izay mikely aina amin’ny fo tokoa hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, avy amin’ny firenen’i Israely rehetra, ka tonga tany Jerosalema hanatitra sorona ho an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.

17Nankahery ny fanjakan’i Jodà izy, tamin’izany, ka nampiorina tsara an-dRôbôama zanak’i Salômôna, nandritra ny telo taona, satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy i Salômôna izy ireo, telo taona.

Nivadika tamin’Andriamanitra i Rôbôama(Jereo 1Mpa 11,1-13)

18Nalain-dRôbôama ho vady i Mahalata, zanaka vavin’i Jerimota, zanak’i Davida sy i Abihaila, zanaka vavin’i Eliaba zanak’i Isaia,

19ka nitera-dahy taminy izy, dia i Jehosa, i Somorià, ary i Zoma.

20Manaraka an’io dia mbola naka an’i Maakà zanaka vavin’i Absalôma izy, ka niteraka an’i Abià, i Etaia, i Zizà ary i Salômita, taminy.

21I Maakà zanaka vavin’i Absalôma no tian-dRôbôama indrindra, tamin’ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra, fa nanambady 18 sy vadintsindrano 60 izy; ary niteraka lahy 28 sy vavy 60.

22I Abià, zanaka lahin’i Maakà no nataon-dRôbôama loha laharana, ho filohan’ny rahalahiny, fa io no nokasainy hampanjakaina.

23Naeliny tamim-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help