1Amin’izany andro izany i Iaveh hamaly,
amin’ny sabany sady lehibe no mahery,
an’i Leviatàna ilay menarana faingam-pandeha,
an’i Leviatàna ilay menarana miforiporitra,
ka hamono ilay bibibe izay ao an-dranomasina.
Ny voalobok’i Iaveh2Amin’izany andro izany no hilazana hoe:
Tanimboaloboka anankiray ahazoana divay mahery, mihirà ho azy!
3Izaho Iaveh no miambina azy;
manondraka azy mandrakariva Aho;
ary sao hisy olona hiditra ao aminy,
miambina azy andro aman’alina Aho:
4tsy manan-katezerana intsony Aho.
Aiza no hahitako tsilo
sy hery hiadiako?
Dia hiroatra hamely an’ireo Aho, ka hodorako izy.
5Afa-tsy raha mifikitra amin’ny fiarovako ny olona,
ka manao fihavanana amiko,
ka Izaho no anaovany fihavanana!
Hosoavina i Jakôba, hosazina ny mpamoritra6Amin’ny andro ho avy i Jakôba handatsa-paka,
i Israely hamony sy hitsimoka,
ary hofenoiny amin’ny vokany izao tontolo izao.
7Moa nasiana toy ny namelezana an’ireo namely azy va izy?
Moa novonoina toy ny namonoana an’ireo namono azy va izy?
8Nofaizinao amin’ny sazy antonony izy, nataonao sesitany.
Noroahiny tamin’ny rivotra mahery
tamin’ny andro misy rivotra avy atsinanana.
9Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba,
ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany.
Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony
manjary vovoka manahaka ny vato sokay,
dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.
10Fa ny tanàna mimanda efa zary tany foana,
fonenana lao sy nilaozana, tahaka ny efitra;
zanak’omby no miraotra ao,
mandry sy mihinana ny rantsan-kazo ao.
11Rehefa maina ny rantsan-kazo dia tapahina;
ka dia avy ny vehivavy hitaina azy.
Fa firenena tsy hendry izy,
ka tsy hamindra fo aminy Ilay nanao azy,
ary tsy hiantra azy Ilay namorona azy.
Tenin’Andriamanitra12Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao:
hahintsan’i Iaveh ny vary
hatramin’ny masondranon’ny Ony,
ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta,
dia hotazana tsirairay ianareo, ry zanak’i Israely.
13Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany:
haneno ny trômpetra lehibe,
ka izay very tany amin’ny tanin’i Asora,
mbamin’izay voasesitany, tany amin’ny tany Ejipta,
dia hody ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh,
ao amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.