Ekleziastika 47 - Malagasy Catholic Bible

I Natana

1Manaraka izany niseho i Natana,

mba haminany, tamin’ny andron’i Davida.

I Davida

2Toy ny fanavaka ny sabora amin’ny sorona fisaorana,

no nanavahana an’i Davida teo amin’ny zanak’i Israely.

3Nilalao tamin’ny liona, toy ny amin’ny zanak’osy izy,

ary tamin’ny orsa, toy ny amin’ny zanak’ondry kely.

4Fony izy mbola tanora, tsy namono ilay goavam-be va izy,

ka nahafa-kenatra ny vahoaka,

nony nanainga tanana mbamin’ny vaton’antsamotadiny izy,

sy nanongana ny reharehan’i Gôliata?

5Satria niantso ny Tompo Avo Indrindra izy,

ary ny Tompo nanome hery ny tanany ankavanana,

hamono mahafaty an’ilay mpiady mahery,

mba hanandratra ny tandroky ny vahoakany.

6Ka dia nankalazaina izy, noho ny amin’ireo iray alina;

noderaina izy, noho ny fitahian’ny Tompo;

ary natolotra azy ny satroboninahitra.

7Fa nomontsaniny hatraiza hatraiza ny fahavalo,

nohoseny tamin’ny tongony ny Filistinina, ny mpanohitra;

noketrahiny mandrak’androany ny herin’ireny.

8Tamin’izay rehetra nataony izy nanolotra haja,

ny Masina, ny Avo Indrindra, tamin’ny teny fiderana;

tamin’ny fony tokoa nanao hira fankalazana

ary tia an’Ilay nanao azy.

9Nanendry mpihira eo anoloan’ny ôtely izy,

ary nampandre hira mireondreona mahafinaritra tamin’ny feon’ireo.

10Nataony manetriketrika ny fety,

ary kanto tapitra ohatra ny fankalazana ny andro lehibe,

amin’ny fotoana ankalazan’ny mpihira ny Anara-masin’ny Tompo,

sy ampanakoakoany ny fitoerana masina vao maraina.

11Ny Tompo kosa namela ny hadisoany,

nanandratra ny fahefany ho mandrakizay;

ary nataony azo antoka ny hananany taranaka mpanjaka,

sy ny seza fiandrianana be voninahitra eo amin’i Israely.

I Salômôna

12Nitsangana nanarakaraka azy ny zanaka feno fahendrena anankiray,

tao anatin’ny fandrosoana no nahavelomany noho ny amin-drainy.

13Nanjaka tamin’ny androm-piadanana i Salômôna,

fa nomen’Andriamanitra fitsaharana amin’ny manodidina rehetra izy,

mba hanorina tempoly ho an’ny Anarany,

sy hamboatra fitoerana masina mandrakizay.

14Endrey izany fahendrenao, tamin’ny fahatanoranao,

niboiboika fahalalana toy ny ony!

15Niely eran’ny tany ny fahiratan-tsainao,

dia nofenoinao oha-teny mifono hevitra izy.

16Tonga hatrany amin’ny lavitra ny anaranao,

ary tian’ny olona teo amin’ny fiadananao ianao.

17Ny hiranao masina, ny ohabolanao, ny fanoharanao,

ary ny valin-teninao efa nigagan’izao tontolo izao anao.

18Tamin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitra,

izay antsoina ho Andriamanitr’i Israely,

ianao nanangona volamena toy ny fira-potsy,

nampiasa volafotsy toy ny firaka.

19Nanaram-po tamin’ny vehivavy ianao,

ary nomenao fahefana tamin’ny vatanao izy;

20nasianao pentina ny voninahitrao,

ary nolotoinao ny taranako,

ka dia niantso hatezerana ho amin’ny zanakao ianao.

21Mahatsiaro mangirifiry noho ny hadalanao aho;

fa izany no antony nivakian’ny fanjakana,

ka avy amin’ny Efraima no nitrangan’ny filohan’ny fanjakana nikomy.

22Kanefa ny Tompo tsy hiala amin’ny famindram-pony,

ary tsy hasiany levona iray akory ny asany;

tsy hamongotra ny taranak’ilay voafidiny izy,

ary tsy ataony lany tamingana ilay tia Azy.

I Jakôba namelany dimby;

ary i Davida namelany solofo iray razana aminy.

I Rôbôama

23Nody mandry tany amin’ny razany i Salômôna,

ary ny navelany nanarakaraka azy, dia zanany iray razana aminy,

iray, olona adala eo imason’ny vahoaka, tsy manam-pahalalana,

i Rôbôama izay nanao izay hihatahan’ny vahoaka amin’ny heviny;

I Jerôbôama

ary i Jerôbôama, zanak’i Nabata, izay nampanota an’i Israely,

sy ny sori-dalana hidiran’i Efraima amin’ny fivadihana.

24Dia tafahoatra loatra ny fahotan’i Israely

ka nentina lavitra ny taniny izy.

25Nivarina tamin’izao karazam-paharatsiana rehetra

izao izy,

mandra-pidonan’ny famaliana azy ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help