Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 16 - Malagasy Catholic Bible

(Jereo Apôk 8,6-12)

1Ary nandre feo mahery avy tao amin’ny Tempoly aho, nilaza tamin’ny Anjely fito hoe: «Mandehana araraho amin’ny tany ny ao amin’ny kapoaka fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra.»

2Dia nandeha ny voalohany, nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny tany, ka nisy vay ratsy sady nampijaly mafy namely ny olona izay nisy ny mariky ny Biby sy izay nivavaka tamin’ny sariny.

3Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny ranomasina koa ny Anjely faharoa, dia tonga tahaka ny ran’olona maty ny ranomasina, ka may avokoa ny zava-manana aina rehetra tao anatiny.

4Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny ony sy ny loharano koa ny Anjely fahatelo, dia tonga ra ny rano.

5Ary reko ny Anjelin’ny rano nanao hoe: «Marina Ianao izay ankehitriny sy taloha, ary masina Ianao izay nitsara toy izao.

6Fa nandatsaka ny ran’ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha ra kosa no nomenao hosotroiny.»

7Dia nisy hafa tao amin’ny ôtely reko nanao hoe: «Eny, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! marina sy ara-drariny ny fitsarànao.»

8Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny masoandro koa ny Anjely fahefatra, dia nasaina nandoro ny olona tamin’ny afo io,

9ka main’ny afo mafy indrindra ny olona; nefa ny manevateva ny Anaran’Andriamanitra, Izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny mibebaka mba hanome voninahitra Azy Tompo.

10Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny seza fiandrianan’ny Biby koa ny Anjely fahadimy, dia tonga maizina ny fanjakany ka nanaikitra ny lelany ny olona noho ny fijaliany;

11nefa ny manevateva an’Andriamanitra noho ny fijaliany sy ny feriny no nataony, fa tsy ny mibebaka tamin’ny asany.

12Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’i Eofrata, ony lehibe koa, ny Anjely fahenina, dia naharitra ny ranony, mba hisy lalan-kalehan’ny mpanjaka avy any atsinanana.

13Dia nisy fanahy maloto telo, hoatra ny sahona, hitako nivoaka avy any am-bavan’ny Dragona, sy avy any am-bavan’ny Biby, ary avy any am-bavan’ny mpaminany sandoka.

14Fanahin-devoly ireo, ary manao fahagagana sy mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra, mba hamory azy ho amin’ilay andro lehiben’Andriamanitra tsitoha. -

15Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. -

16Ary any amin’ny fitoerana atao amin’ny teny hebrio hoe: Armagedaona no namoriana azy ireo.

17Raha efa izany, nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny rivotra ny Anjely fahafito, dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ny Tempoly, teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: «Vita.»

18Ka nisy tselatra sy feo ary kotro-baratra mbamin’ny horohoron-tany; tsy mbola nisy horohoron-tany mafy hoatra izany na oviana na oviana, hatrizay nisian’ny olona tetỳ ambonin’ny tany.

19Nivaky telo terỳ ny tanàna lehibe, nirodana avokoa ny vohitry ny firenena maro; ary notsarovan’Andriamanitra i Babilôna lehibe, mba hampisotroany azy ny kapoakan-divain’ny fahatezerany mirehitra.

20Ny nosy, nandositra daholo; ny tendrombohitra, tsy hita intsony,

21ary ny olona nilatsahan’ny havandra vaventy be avy any an-danitra, sahabo ho lanjan-talenta iray ny iray, ka nanevateva an’Andriamanitra izy ireo, noho ny loza avy amin’ny havandra, fa loza lehibe loatra izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help