1Andro vitsy foana taorian’izay, i Lisiasy mpiahy sy havan’ny mpanjaka, sady solon’andriana teo amin’ny fanjakana, dia nahatsiaro mangirifiry tamin’ilay zava-nidona teo,
2ka namory miaramila sahabo ho 80.000, mbamin’ny an-tsoavaly rehetra, dia niroso hamely ny Jody, nanantena mihitsy fa hamponina ny Grika ao amin’ny tanàna masina,
3sy hampandoa hetra ny Tempoly, toraky ny fitoerana masin’ny firenena masina, ary hivarotra isan-taona ny fiandrianan’ny mpisorona lehibe;
4tsy noheveriny akory tamin’izany izay fahefan’Andriamanitra fa ny miaramilany an-tongotra alinalina, sy ny an-tsoavaly arivoarivo, ary ny elefantany valopolo no nireherehany fatratra.
5Nony tafiditra an’i Jodea izy, dia nanatona an’i Betsora, tanàna sarotra hatonina, sahabo ho dimy stady raha eo Jerosalema, ka nanery azy mafy.
6Vao nandre i Makabeo sy ny namany fa hoe: ataon’i Lisiasy fahirano ny trano mimanda, dia nivavaka tamim-pisentoana aman-dranomaso tamin’ny Tompo izy narahin’ny vahoaka rehetra mba haniraka Anjely tsara hamonjy an’i Israely.
7Dia i Makabeo no nandray fiadiana voalohany sy namporisika ireto sisa hanao vy very ny ainy miaraka aminy hamonjy ireo rahalahiny.
8Niroso tamin-kafanam-po sy herim-po avokoa izy rehetra; ary mbola teo am-pahatazànana an’i Jerosalema ihany izy, dia indro nisy mpitaingin-tsoavaly niseho teo alohany, nampandihy fiadiana volamena.
9Ka dia niara-nisaotra an’Andriamanitra mpamindra fo izy rehetra, sady samy vonon-kiady tsy hoe amin’ny olona ihany, fa amin’ny biby faran’izay masiaka koa, ary hamaky ny manda vy aza.
10Nandroso tamim-pilaharana hiady izy ireo, nanam-panahy avy any an-danitra, ary ny Tompo nangoraka azy.
11Niantoraka toy ny liona tamin’ny fahavalo, ka miaramila an-tongotra 11.000, sy an-tsoavaly 16.000 no natsingidiny tamin’ny tany,
12ary ny sisa nataony vaky nandositra. Ny ankabeazany nandositra efa voaratra sy nanary fiadiana; ny tenan’i Lisiasy aza tsy nahavonjy ny ainy, afa-tsy tamin’ny lositra mahamenatra.
Fihavanana tamin’ny Jody. Taratasy efatra fifanekena(Jereo 1Mak 6,57-61)13Nefa noho izy nanan-tsaina ihany, dia nandinika ity fahareseny, ary fantany fa tsy azo resena ny Hebrio, satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra no miara-miady aminy,
14ka dia naniraka ho any amin’izy ireo izy, hanolotra fihavanana araka izay famarafarana marina rehetra, ka dia nanolo-tena amin’izay hampanaiky ny mpanjaka ny tokony hihavanany amin’izy ireo.
15Tsy nikendry afa-tsy ny soa ho an’ny vahoaka i Makabeo ka nanaiky ny hevitra rehetra naposak’i Lisiasy, satria neken’ny mpanjaka avokoa ny famarafaram-panekena nalefan’i Makabeo an-tsoratra tany amin’i Lisiasy momba ny Jody.
16Toy izao no teny amin’ny taratasy nosoratan’i Lisiasy ho an’ny Jody:
17«I Lisiasy manoratra ho an’ny Jody: Arahaba! Voatolotr’i Joany sy i Absalôma izay nirahinareo ho atỳ amiko ny fanekena nosoniavinareo ka dia nangataka izy ireo ny hanatanteraka ny zavatra ao amin’ny fanekena.
18Ary efa nampahafantariko ny mpanjaka, izay rehetra tsy maintsy alefa mankany aminy, ka nekena izay azo ekena.
19Koa raha mbola maharitra koa ny fankasitrahanareo ny fanjakana, dia hikely aina aho izao sisa izao hanao izay hiadananareo.
20Ny amin’ny andinidininy sasany dia nohazavaiko tamin’ny irakareo sy ny ahy, ka dia hifampidinika aminareo izy ireo.
21Ho salama tsara anie ianareo. Tamin’ny taona faha-148, andro faha-24n’ny volana Diôskôrinta.»
22Toy izao kosa no ao amin’ny taratasin’ny mpanjaka:
«I Antiôkosy mpanjaka manoratra ho an’i Lisiasy rahalahiny: Arahaba!
23Rehefa voafindra any amin’ireo andriamanitra ny rainay, ny irinay dia ny hifotoran’izay eto amin’ny fanjakanay amin’ny fikarakarana ny raharahany tsy hisy mpanelingelina;
24ary efa renay fa ny Jody dia tsy manaiky ny fomba grika, fa aleony ihany ny fombany manokana, ka mangataka izy, araka izany, havela hiaina araka ny lalàny.
25Koa noho ny fanirianay ny tsy hisy fitabatabana amin’izany firenena izany intsony, dia mandidy ny hamerenana ny tempoly amin’izy ireo izahay, sy ny hamelàna azy hanaraka ny fomban-drazany.
26Koa tsara raha maniraka ho any amin’izy ireo ianao, sy mandray tanana azy, mba hahazoany toky sy hifotorany amin’ny fanaovana ny raharaha fanaony, rehefa fantany ny hevitray.»
27Toy izao no ao amin’ny taratasin’ny mpanjaka ho an’ny firenena Jody: «I Antiôkosy mpanjaka, maniry fiadanana ho an’ny parlemantan’ny Jody sy ny Jody hafa.
28Raha salama tsara ianareo, dia mifanaraka amin’ny irinay izay; izahay koa dia salama tsara.
29Nampandrenesin’i Menelasa anay, ny fanirianareo hiverina sy hanao ny raharaha fanaonareo.
30Koa izay miroso hatramin’ny andro faha-30n’ny volana Ksantìka, dia hahazo mitoetra feizay sy amim-piadanana.
31Ka aoka ny Jody hihinana izay fihinany sy hanaraka ny lalàny tahaka ny taloha, ka aza misy omena soketa noho izay diso nataony tsy amim-pahalalana.
32Naniraka an’i Menelasa aho, hanome toky hiadananareo.
33Ho salama tsara anie ianareo. Tamin’ny taona faha-148, andro faha-15n’ny volana Ksantìka.»
34Ny Rômanina koa nampitondra taratasy ho an’ny Jody, araka izao:
«I Kointosa Memiosa sy i Titosa Manliosa, iraky ny Rômanina, maniry fiadanana ho an’ny Jody.
35Ireo zavatra efa neken’i Lisiasy havan’ny mpanjaka, taminareo, dia ekenay aminareo koa.
36Ary ny amin’ireo nataony ho tsy maintsy alefa hodinihin’ny mpanjaka, rehefa voadinikareo tsara, dia aza angatahana andro, fa maniraha olona ho atỳ aminay hampandrosoinay ao amin’ny mpanjaka, araka ny mety hatao ho anareo, fa ho any Antiôkia izahay.
37Ka faingàna dia alefaso handeha ny irakareo, mba hahalalanay izay irinareo koa.
38Ho salama tsara anie ianareo. Tamin’ny taona faha-148, faha-15n’ny volana Ksantìka.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.