1Mpanjaka i Iaveh; mangovitra ny firenena;
mipetraka eo amin’ny Kerobima Izy; mangozohozo ny tany.
2Lehibe ao Siôna i Iaveh,
tafasandratra ambonin’ny firenena Izy.
3Hoderaina anie ny Anaranao, sady lehibe no mahatahotra. - Masina Izy.
4Hoderaina anie ny herin’ny Mpanjaka, izay tia ny rariny.
Manamafy ny fahitsiana Ianao,
mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny
eo amin’i Jakôba Ianao.
5Mankalazà an’i Iaveh Andriamanitsika,
ary miankohofa eo anatrehan’ny lampihazo ipetrahan’ny tongony. - Fa Masina Izy.
6I Môizy sy i Aarôna dia anisan’ireo mpisorony,
ary i Samoela isan’ireo miantso ny Anarany,
dia niantso an’i Iaveh, ka novaliany.
7Niteny tamin’ireo tao amin’ny andry rahona Izy;
nitandrina ny didiny izy ireo
sy ny lalàna izay efa nomeny azy ireo.
8Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahany;
Andriamanitra be indrafo ho azy ireo Ianao,
ary namaly azy tamin’ny hadisoany.
9Mankalazà an’i Iaveh Andriamanitsika,
ary miankohofa eo anatrehan’ny tendrombohiny masina,
fa masina i Iaveh Andriamanitsika.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.