Izaia 61 - Malagasy Catholic Bible

Asa anirahana ny mpaminany

1Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo,

satria voahosotr’i Iaveh aho;

nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra,

hamehy ny ferin’ireo torotoro fo;

hampandre ny babo fa afaka

sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;

2hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’i Iaveh,

sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika;

hampionona ny tra-pahoriana rehetra.

3Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna

sy hanasatroka azy ny satroboninahitra

ho solon’ny lavenona,

diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana

akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po;

dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana,

volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.

4Amin’izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela;

hanarina indray ny sisan’izay voafongotra fahiny;

hamboatra ny tanàna simba,

mbamin’ny korontan-javatra rava tamin’ny taona lasa.

5Ho eo ny vahiny, hiandry ny biby fiompinareo;

ny zanaky ny hafa firenena,

ho mpiasanareo sy mpamboly voalobokareo.

6Fa ianareo kosa hataon’ny olona hoe:

«mpisoron’i Iaveh.»

sy hantsoin’ny olona hoe: «Mpandraharahan’ny Andriamanitsika.»

Hihinana ny haren’ny firenena ianareo;

hihaingo amin’ny zavatra kanto avy aminy,

ary hitafy ny fiamboniana nananany.

7Ho solon’ny henatrareo taloha,

dia anjara roa no horaisinareo,

ary ho solon’ny fahafaham-baraka,

dia hifaly amin’ny anjarany avy izy ireo,

ka dia hahazo anjara roa eo amin’ny taniny izy ireo,

dia hisy fifaliana mandrakizay ho azy.

8Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny,

halako ny fandrobana atao amim-pamadihana;

homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy,

ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.

9Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena;

ary ny tanimanga any amin’ny firenen-tsamihafa.

Izay hahita azy hahalala azy avokoa,

fa taranaka nosoavin’i Iaveh izy ireo.

10Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho,

ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,

satria notafiany fitafiam-pamonjena aho,

ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,

toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;

toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.

11«Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,

toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy

no ampanirian’i Iaveh Tompo ny fahamarinana,

sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help