Fahendrena 12 - Malagasy Catholic Bible

1Fa ao amin’ny zavatra rehetra ny fanahinao tsy azo angolena,

2ka izany no amaizanao izay lavo amin’ny sazy antonony, ary raha manota izy, anarinao sy tsininao mba hialany amin’ny haratsiany, sy hinoany anao, ry Tompo.

Tsy nivatravatra tamin’i Kanaana Andriamanitra

3Efa halanao ny mponina taloha teo amin’ny taninao masina,

4satria nifototra tamin’ny asan’ny fankatoavana maharikoriko,

5sy tamin’ny fomba manohitra ny fivavahana, ary namono zaza tamin-kalozana, nihinana nofon’olona sy nisotro ra. Ireo nampianarina fomba vetaveta maizimaizina,

6ireo ray aman-dreny mpamono olona tsy mana-mpiaro, dia nokasainao naringan’ny tanan’ny razanay,

7mba handraisan’io tany nomenao haja noho ny hafa rehetra io, an’ireo zanak’Andriamanitra ho voanjo mendrika.

8Noho ny maha-olombelona azy ireo anefa, nanao famindram-po Ianao, ka fanenitra no nalefanao, ho toy ny lohalalana amin’ny tafikao, hamono azy tsikelikely.

9Tsy dia noho ny tsy fahazoanao mamono ireo tsy mpivavaka ireo, amin’ny ady milamina, amin’ny tanan’ny marina; na mandringana azy indray maka monja, amin’ny biby masiaka; na amin’ny didy mafy;

10fa tamin’ny nanaovanao ny fitsarànao mandroso miandalandalana, dia nomenao fotoana hibebahany izy, na dia fantatrao aza fa taranaka ratsy izy ireo, ary hatramin’ny fahaterahany no efa ratsy ka tsy hiova hevitra na oviana na oviana,

11satria taranaka voaozona hatramin’ny niandohany.

Antony tsy nampivatravatra Azy

Tsy noho ny tahotrao olona akory koa, no nanehoanao famindram-po amin’ny fahotan’izy ireo.

12Satria zovy moa no ho afa-milaza aminao hoe: Inona ity nataonao? Zovy no ho afa-manohitra ny fitsarànao? Zovy no hitaraina hamely anao, hisolo vava ny olon-dratsy? Zovy no hanome tsiny Anao mamono ny firenena nataonao? Zovy no hitsangan-kandahatra hiaro aminao ny olona mpanohitra ny fivavahana?

13Fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao ihany, izay mitandrina ny zavatra rehetra, mba hanehoana fa tsy manao fitsarà-mitanila Ianao.

14Tsy misy mpanjaka mpanao jadona efa nitsangan-kanohitra Anao, mba hiaro izay nofaizinao.

15Kanefa noho Ianao marina, dia alaminao amim-pahamarinana ny zavatra rehetra, ary heverinao ho zavatra mifanohitra amin’ny fahefanao, ny manameloka izay tsy mendrika famaizana.

16Fa ny fahefanao dia fanorenan’ny fahamarinana; ary noho Ianao Tompon’ny olona rehetra, no itondranao azy rehetra amim-pamindram-po.

17Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao; ary izay mahalala an’izany dia ataonao mangaihay amin’ny hasahiany.

18Fehezin’ny sitraponao ny herinao, ka mitsara amin-kamoram-po Ianao, ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe; satria eo aminao ny fahefana rehefa tianao.

Fianarana halaina amin’ny moramora ataon’Andriamanitra

19Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao fa tokony ho antra olona ny marina; sy nampidiranao fanantenana mahafaly amin’ny zanakao fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.

20Satria notsimbininao sy namindranao fo no famay ny fahavalon’ny mpanomponao, nefa mendri-kovonoin-ko faty izy ireny, ka nomenao andro amam-potoana hibebahana amin’ny haratsiany.

21Fitsimbinana manao ahoana koa no hitsaranao ny zanakao, fa ny razan’izy ireo no efa nandray taminao fianianana amam-panekena nomban’ny fampanantenana tsara indrindra!

22Koa raha faizanao izahay, dia kapohinao inarivo mihoatra noho izany ny fahavalonay, mba hampianaranao anay hihevitra ny hamoram-ponao, raha mitsara izahay; ary hanantena ny indrafonao, raha tsaraina izahay.

Avy namindra fo Andriamanitra dia mihenjana

23Koa ny zavatra ratsy vetaveta nataony no nampijalianao ny olon-tsy marina izay nandany ny androny tamin’ny fahadalana.

24Satria izy ireo dia efa nandroso loatra tamin’ny lalan’ny hadisoana, ka nanao ho andriamanitra ny biby ratsy indrindra; fa nety ho voafitaka tahaka ny zaza tsy vory saina izy ireo.

25Ka noho izany dia tahaka ny fanao amin’ny zaza tsy vory saina, no famaizana maivana foana nalefanao hamely azy ireo.

26Fa izay tsy nety tamin’ny famaizana maivana foana, dia hiharan’ny sazy tandrifin’ny ho avy amin’Andriamanitra.

27Ireo nataony ho Andriamanitra no namay azy ireo, ka nifoabaka erỳ tamin’izany fijaliany izany; izay vao fantany Ilay niniany tsy ho fantatra taloha, ary nekeny fa Andriamanitra marina Izy. Izany no niharan’ny fanamelohana faran’izay mafy tamin’izy ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help