Jôba 14 - Malagasy Catholic Bible

1«Ny olona tera-behivavy, dia vitsy andro iainana,

sady vontom-pahoriana.

2Mitsimoka, dia jinjaina hoatra ny voninkazo izy;

Lasa tsy mijanona hoatra ny aloka.

3Amin’izy io anefa no ampihiratanao ny masonao,

izy no entinao hifandahatra aminao amin’ny fitsarana!

4Iza no mahay mamorona madio avy amin’ny maloto? Tsy iza tsy iza

5raha voaisa ny andron’ny olombelona,

raha naraikitrao ny isan’ny volany,

raha nametra faritra tsy hihoarany Ianao,

6avilio hijery azy ny masonao mba hisy hitsaharany,

mandra-pankafizany ny fiafaran’ny androny toy ny mpikarama.

7Ny hazo mbola manan-kantenaina,

na voatapaka aza izy, mbola mety hihamaitso,

ary miteraka solofony tsy an-kijanona.

8Na efa antitra ao anaty tany aza ny fakany,

na maty ao anaty vovoko aza ny fotony,

9raha vao mahazo rano izy, dia mihamaitso,

dia misandrahaka toy ny tanora vao nambolena.

10Fa ny olona kosa maty, dia miampatra eo,

rehefa miala aina izy, dia aiza moa?

11Ny rano an-kamory mihalevona,

ny ony miharìtra, dia maina.

12Toy izany koa ny olona mandry, dia tsy miarina intsony,

raha mbola eo koa ny lanitra tsy hahatsiaro intsony izy,

ary tsy hofohazina amin’ny torimasony.

13Endrey! raha mba mety manafina ahy

any amin’ny fonenan’ny maty mantsy Ianao,

ka hampiery ahy any mandra-pahafaky ny hatezeranao,

hilaza amiko izay fetr’andro hahatsiarovanao ahy indray!

14Raha mba velona indray mantsy ny olona nony efa maty izy!

handrasako amin’ny andro rehetra anjara fiambenako

izay hahatongavan’ilay hisolo ahy.

15Hiantso Ianao amin’izay, ary izaho kosa hamaly Anao;

ary mba ho manina ny asan’ny tananao Ianao.

16Nefa indrisy, fa Ianao ankehitriny manisa ny diako,

mibanjina ny fahotako Ianao.

17Voaisy tombokase ny kitapo misy ny fahadisoako,

nasianao loko ny tsy fahamarinako.

18Ny tendrombohitra miletsy sy mihalevona,

ny vatolampy afindra hiala amin’ny toerany,

19ny rano mandavaka vato,

ny onjany tondraka manindao ny vovo-tany;

toy izany no andravànao ny fanantenan’ny olombelona.

20Aonganao tsy hiarina izy, dia lasa;

lazoinao ny tavany, dia alefanao izy.

21Omem-boninahitra ny zanany, tsy fantany izany;

voaetry ireny, tsy hitany akory.

22Ny nofony tsy mahatsiaro afa-tsy ny fijaliany ihany,

ny fanahiny tsy mitaraina afa-tsy amin’izay manjò azy.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help