Levitika 4 - Malagasy Catholic Bible

Sorona noho ny ota

1Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

2Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,

A. Otan’ny mpisorona

3Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin’izany, dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin’i Iaveh, noho ny otany, ho sorona fanonerana.

4Hitondra ny vantotr’ombalahy ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan’i Iaveh, dia hametraka ny tanany eo ambony lohan’ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan’i Iaveh.

5Ny mpisorona efa voahosotra haka amin’ny ran’ny ombalahy sy hitondra izany ho ao an-trano lay fihaonana,

6hanoboka ny rantsan-tanany ao amin’ny ra, hamafy izany impito eo anatrehan’i Iaveh, tandrifin’ny efitra lamban’ny fitoerana masina.

7Ny mpisorona hanentina ra ny tandroky ny ôtely fandoroan-java-manitra, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra avy amin’ny ombalahy eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.

8Halana avokoa ny saboran’ny ombalahy natao sorona noho ny ota, dia ny sabora saron-tsinainy, ny sabora miray amin’ny tsinainy,

9ny voany roa sy ny fonom-boany izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ary ny saron’atiny izay hoendahany eo akaikin’ny voany,

10toy ny fanalana izany amin’ny ombalahy atao sorom-pihavanana, hodorany izany hanetona eo ambonin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana.

11Fa ny hoditry ny ombalahy, ny henany rehetra, mbamin’ny lohany, ny tongony, ny taovany, ny tain-drorohany,

12ary ny ombalahy manontolo havoakany any ivelan’ny toby, amin’ny fitoerana madio, fanariana ny lavenona, dia hodorany amin’ny afo eo ambony kitay hazo; ka eo ambonin’ny antontan-davenona no handorany azy.

B. Otan’ny vahoaka Israely

13Raha ny fiangonan’i Israely rehetra no nanota tsy nahy, fa tsy voatandrin’ny masony izany, ka nahavita zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao izy, ary tonga meloka tamin’izany,

14rehefa fantatra ny ota nataony, dia vantotr’ombalahy iray no haterin’ny fiangonana, ho sorona fanonerana, hoentiny eo anoloan’ny trano lay fihaonana.

15Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.

16Ny mpisorona voahosotra hitondra amin’ny ran’ny ombalahy ho ao an-trano lay fihaonana;

17dia hanoboka ny rantsan-tanany ao amin’ny ra, hamafy izany impito, eo anatrehan’i Iaveh, tandrifin’ny efitra lamba;

18hanentina ra ny tandroky ny ôtely, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan’ny trano lay fihaonana.

19Raha efa izany, halaina daholo ny saboran’ny vantotr’ombalahy, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely.

20Toy ny anaovana ny ombalahy natao sorona noho ny ota no hanaovany izany ombalahy izany; toy izany no hanaovany azy; dia izany no hahavitan’ny mpisorona fanonerana ho azy ireo; ka ho voavela ny helony.

21Havoakany ho any ivelan’ny toby ny ombalahy, dia hodorany toy ilay ombalahy voalohany teo. Izany no sorona noho ny otan’ny fiangonana.

D. Otan’ny mpifehy

22Raha mpifehy no nanota, nanao tsy nahy zavatra anankiray amin’izay noraran’i Iaveh Andriamaniny tsy hatao, ka tonga meloka tamin’izany,

23rehefa fantany ny fahotana nataony, dia osilahy tsy misy kilema no fanatitra hoentiny;

24hametra-tanana eo ambonin’ny lohany izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana, eo anatrehan’i Iaveh, fa fanatitra noho ny ota izany.

25Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona noho ny ota, dia hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanidina ny ra eo an-tongotr’io ôtely io.

26Raha efa izany, hodorany daholo eo ambonin’ny ôtely ny sabora, toy ny fandoroany ny sabora amin’ny sorom-pihavanana. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ny fahotana ho azy, dia ho voavela ny otany.

E. Otan’ny olona sarambabem-bahoaka

27Raha ny iray amin’ny sarambabem-bahoaka no nanota tsy nahy, nanao ny iray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, ka tonga meloka izy,

28rehefa fantany ny helony, dia osy vavy lava volo, tsy misy kilema, no hatolony hatao fanatitra noho ny fahotana nataony.

29Hametra-tanana eo ambonin’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana.

30Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona, hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.

31Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalana ny sabora amin’ny sorom-pihavanana ka hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany, dia ho voavela ny otany.

32Raha zanak’ondry no entiny hatao sorona noho ny ota, dia izay vavy tsy misy kilema no hoentiny.

33Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy ho sorona fanonerana, eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana.

34Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran-tsorona, hanentina ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana amin’izany, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.

35Dia halàny daholo ny sabora toy ny fanalana ny saboran’ny zanak’ondry amin’ny sorom-pihavanana dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany noho ny ota nataony, dia ho voavela ny otany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help