1Toy izany koa ianao, ry olona, na zovy na zovy ianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra ianao; fa amin’ny fitsarànao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa ianao, satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.
2Fantatsika anefa fa marina ny fitsaràn’Andriamanitra an’izay manao toy izany;
3ka moa ataonao va, ry olona, fa ianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa, dia ho afa-mandositra ny fitsaràn’Andriamanitra?
4Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
5Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e!
6dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
7fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;
8fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.
9Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an’izay manao ny ratsy, dia ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa;
10fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa ho an’izay manao ny tsara, dia ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa,
11satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona.
Teo anefa ny Lalàna12Izay rehetra nanota tsy nanan-dalàna, dia ho very tsy aman-dalàna; ary izay rehetra nanota nanan-dalàna kosa dia hotsaraina ara-dalàna;
13satria tsy ny mandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mankatò ny lalàna no hohamarinina.
14Raha ny Jentily tsy manan-dalàna no manao ho azy izay voadidin’ny Lalàna, na dia tsy manan-dalàna aza izy, dia izy ihany no lalàna ho an’ny tenany.
15Asehon’izy ireo amin’ny hitsim-pony mitsangan-ko vavolombelona, sy ny fisainany mifanome na mifanala tsiny koa, fa voasoratra ao am-pony ny asan’ny Lalàna,
16mandra-pahatongan’ny andro hampitsaràn’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ny asa takona ataon’ny olona, araka ny Evanjely ampianariko.
17Ary inty ny aminao, izay mitondra anarana hoe Jody: ianao dia mitoky amin’ny Lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao,
18mahalala ny sitrapony, sy mahafantatra izay tsaratsara kokoa, fa nampianarin’ny Lalàna,
19mihambo ho mpitarika ny jamba, ho mpanazava ny ao amin’ny maizina,
20ho mpananatra ny adala, ho mpanoro ny bodo, fa eo an-tananao ny Lalàna izay fitsipiky ny fahalalana sy ny fahamarinana;
21nefa, mampianatra ny sasany ianao, fa tsy mampianatra ny tenanao: mitory hoe: aza mangalatra, nefa mangalatra ihany;
22mandrara tsy hijangajanga, nefa mijangajanga ihany; fatra-pankahala ny sampy, nefa manazimba ny zavatra masina;
23mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an’Andriamanitra amin’ny fandikana ny Lalàna,
24satria noho ianareo ihany no itenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentily, araka ny lazain’ny Soratra Masina.
Teo koa ny famorana25Marina fa mahasoa ihany ny famorana, raha mitandrina ny Lalàna ianao; fa manjary tsy fiforàna kosa ny fiforàna raha mandika ny Lalàna ianao.
26Koa raha ny tsy voafora no mankatò ny didin’ny Lalàna, moa tsy hoisaina ho fiforàna va ny tsy fiforàny?
27Eny, fa raha ny olona tsy nifora hatrizay niainany no mahatanteraka ny Lalàna, dia hanameloka anao izy, fa manana ny Soratra Masina sy ny famorana ianao, nefa mandika ny Lalàna.
28Satria tsy izay miseho eto ivelany ho Jody no tena izy, ary tsy izay miseho eto ivelany amin’ny nofo no tena famorana;
29fa ny Jody ao anatiny sy ny famorana ny fo no tena izy: dia ny araka ny fanahy, fa tsy araka ny soratra; ary ny toy izany no mahazo dera, tsy amin’olombelona, fa amin’Andriamanitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.