Fahendrena 17 - Malagasy Catholic Bible

I Ejipta sy i Israely: haizina sy hazavana

1Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao; ka mivily ny hevitry ny fanahy tsy nahita fianarana.

2Nony nitompoan’ny ratsy fanahy ny hevitra hoe: afa-mampahory ny firenena masina, dia voatanan’ny haizina sy voasaron’ny alina lava izy ireo. Ary tafahitsoka tao an-tranony izy ireo, ka niampatra teo, niery ny fitondranao tsy manam-piatoana.

3Nony nihevitra izy fa ho afa-miery mbamin’ny fahotany miafina, dia tafahahaka tao ambanin’ny sarona mikitroky ny fanadinoana, azon-tahotra mahatsiravina ary nivadi-po tamin’ny matoatoa.

4Ny fitoerana mangingina nihibohany, tsy naharo azy amin’ny tahotra: nisy feo mampihoron-koditra nikotrokotroka manodidina azy, ary nisy matoatoa niseho taminy tamin’endrika malahelo indrindra.

5Tsy nisy afo afa-nanome hazavana ary ny lelafo manjopiakan’ny kintana tsy afa-nanazava izany alina mahatsiravina izany.

6Indraindray ihany no nisehoan’ny afo mivongana tamin’afo mirehitra ho azy, nampihoron-koditra; ka nivadi-po izy nahita izany zavatra tsy hita fototra izany, ka vao mainka noheveriny ho mahatsiravina kokoa aza ireo zavatra niseho ireo.

7tankina ny fahaiza-mahatsikaikin’ny mpanao fankatoavana, ary vaky terỳ ny maha-hosoka foana ny fahendrena nohamboin’izy ireo.

8Nihambo ho mahay mandroaka ny tahotra aman-korohoro amin’ny fon’ny marary izy ireo; kanjo ny tenany indrindra ity no mararin’ny tahotra mahatsikaiky:

9satria na tsy nisy zava-mahatahotra tokony hampitahotra azy akory aza, ny fiseran’ny biby, sy ny fisiokan’ny menarana fotsiny, dia nahatsiravina azy

10ka efa ho fatin’ny tahotra izy; ary tsy tohany ny mijery izany rivotra tsy azon’iza na iza ialana.

11Fa saro-tahotra ny ratsy; ny tenany no nitsangan-ko vavolombelona hanamelo-tena; teren’ny fieritreretany dia ampitomboiny fihevitra mandrakariva ny loza.

12Satria ny tahotra tsy inona akory, fa fanariana ny fahazoa-mamonjy tena, mety ho avy amin’ny fisainana.

13Satria kely ny toky anatin’ny fo, dia mainka matahotra mafy ny olona tsy mahalala izay iavian’ny fahoriany.

14Izy ireo àry tamin’izany alina tsy anefana na inona na inona, alina nivoaka avy any amin’ny fanambanin’ny Seoly tsy mahefa inona, dia samy azon-torimaso ihany,

15dia mbetika mikofokofoka noho ny matoatoa mampitahotra mbetika mivarahontsana azon’ny fahareraham-po, fa nirotsaka tampoka taminy sy tsy nampoiziny ny fivadiham-po.

16Tahaka izany koa ny hafa rehetra na iza na iza dia samy lavo tsy nanan-kery avokoa samy voatana, toa voahiboka an-tranomaizina tsy misy hidiny.

17Na mpiasa tany, na mpiandry ondry, na mpiasa revo tamin’ny lahasa mafy tany an-tsaha, samy tratry ny loza avokoa, latsaka an-katerena tsy azo nialana; fa samy voahazon’ny gadran’ny haizim-pito daholo.

18Ny rivotra mifofofofo, ny hiran’ny vorona tsara feo teny amin’ny sampan-kazo mikitroka, ny firohondrohon’ny ranobe mandriana;

19ny fikotrokotroky ny vato mikodia, ny firodorodon’ny biby tsy hita maso mifalihavanja, ny finaonaonan’ny biby masiaka, ny ako miverimberina tany amin’ny lavaky ny tendrombohitra, samy nahatoran’ny tahotra azy avokoa.

20Fa izao rehetra izao nohazavain’ny fahazavana mamirapiratra, ka samy nanao ny asany tsy voasembantsembana avokoa.

21Izy ireo kosa, voasaron’alina mavesatra, tandindon’ny haizim-pito tsy maintsy mandray azy; nefa navesatra taminy noho ny haizim-pito aza ny tenan’izy ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help