1Nony efa niorina tsara tao an-tranony ny mpanjaka sady nomen’i Iaveh fandriam-pahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
2dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany: «Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera, ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!»
3Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka: «Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa momba anao i Iaveh.»
4Ny alin’izay ihany, dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
5«Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Ianao ve no hanao trano hitoerako?
6Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.
7Ary mandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’ny zanak’i Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraimbava Aho tamin’ireo mpifehy an’i Israely vahoakako, nanaovako hoe: Nahoana ianareo no tsy manao trano sedera ho Ahy?
8Koa ankehitriny, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida, hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely, ary izay nalehanao nombako anao avokoa;
9ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao, ny anaranao nataoko malaza toy ny anaran’olo-malaza ambonin’ny tany.
10Nanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho, dia nampiorina azy eo, ka efa monina ao aminy izy, ary handry tsy amin’ahiahy, fa tsy hampahorian’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony,
11sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako. Nanome anao fialan-janona tamin’ny fahavalonao rehetra Aho; ary lazain’i Iaveh aminao fa hananganany trano ianao.
12Rehefa tapitra ny andronao, ka mandry amin’ny razanao ianao; dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao, ary hamafisiko ny fanjakany.
13Izay no hanorina trano ho an’ny Anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.
14Ho toy ny ray ho azy Aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy. Raha manao ratsy izy, dia hofaizako amin’ny tsora-kazon’olombelona, sy ny kapoky ny zanak’olombelona.
15Ny famindram-poko anefa tsy mba hiala aminy, toy ny nanesorako izany tamin’i Saola, izay nalako teo anoloanao.
16Fa ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.»
17Nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa izany teny sy fahitana rehetra izany.
Vavak’i Davida(Jereo 1Tan 17,16-27)18Dia tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh ka nanao hoe: «Zinona moa aho, Iaveh Tompo ô! Ary zinona moa ny mpianakaviko no nentinao ho tonga amin’izao aho?
19Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Iaveh Tompo, fa niteny Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao koa, hatrany amin’ny andro aoriana any. Arakaraka ny lalàn’ny olombelona izany ataonao amiko izany, Iaveh Tompo ô!
20Inona indray àry no azon’i Davida lazaina aminao? fantatrao ny mpanomponao, ry Iaveh Tompo!
21Ary noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izany raharaha lehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao izany ny mpanomponao.
22Fa endrey izany halehibeazanao, ry Iaveh Tompo ô! Fa tsy misy tahaka Anao, tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
23Aiza izay firenena eto ambonin’ny tany tahaka ny vahoakanao, tahaka an’i Israely, fa Andriamanitra no tonga hanavotra azy, mba ho vahoakany, hahalaza ny Anarany, hanao zava-dehibe ho Anao, ary hanao famantarana ho an’ny taninao, tamin’ny nandroahanao ireo firenena mbamin’ny andriamaniny teo anoloan’ny vahoakanao izay navotanao tamin’i Ejipta.
24Nataonao mafy orina i Israely vahoakanao, ho vahoakanao mandrakizay, ka Ianao, ry Iaveh, dia efa tonga Andriamaniny.
25Koa ankehitriny, ry Iaveh Tompo ô, tano ny teny voalazanao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany, tano mandrakizay izany ary tanteraho araka ny teninao;
26dia hankalazaina anie ny Anaranao, ka hatao hoe: Iavehn’ny tafika no Andriamanitra amin’i Israely. Ary aoka ho voaorina mafy eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao.
27Fa tenanao, ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no efa niseho tamin’ny mpanomponao ka nilaza hoe: Hanorenako trano ianareo. Ka izany no nahasahian’ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao.
28Koa ankehitriny, ry Iaveh Tompo, Ianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao. Efa nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin’ny mpanomponao Ianao,
29ka aoka ho sitrakao ny hitahy ny fianakavian’ny mpanomponao, mba haharetany mandrakizay eo anatrehanao. Fa Ianao, Iaveh Tompo, no niteny, ka amin’ny fitahianao dia ho voatahy mandrakizay ny fianakavian’ny mpanomponao.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.