2Mpanjaka 6 - Malagasy Catholic Bible

Ilay famaky very ka hita

1Ary hoy ny zanaky ny mpaminany tamin’i Elisea: «Ety loatra ho anay ny toerana hipetrahanay eto anatrehanao.

2Ka aoka hankany Jordany izahay dia haka sakamandimby iray avy, hanaovanay trano hitoeranay any.» Dia hoy ny navaliny: «Mandehana àry.»

3Fa hoy kosa ny anankiray tamin’izy ireo: «Aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao koa ianao.» Ary namaly izy hoe: «Handeha aho»; ka dia lasa niaraka taminy izy.

4Nony tonga tany Jordany izy ireo, dia nikapa hazo.

5Kanjo latsaka tany anaty rano ny lela famakin’ny anankiray tamin’izy ireo, tamin’ny nikapany sakamandimby ka nikiaka indray niantso izy nanao hoe: «Indrisy, tompoko! sady zavatra nindramina iny.»

6Ary hoy ity olon’Andriamanitra; «Taiza no nahalatsahany?» Dia natorony azy ny toerana. Ka nanapaka tapa-kazo iray i Elisea natsipiny tamin’io toerana io, dia nitsinkafona ilay lela famaky.

7Ary hoy izy: «Raisonao izy.» Dia natsotrany ny tanany ka noraisiny.

4. ADY TAMIN’NY ARAMEANINAI Elisea mambabo antoko-miaramila Arameanina

8Niady tamin’i Israely ny mpanjakan’i Siria. Nivory nidinika tamin’ny mpanompony izy ka niteny hoe: «Any Ananona sy Ananona no hitobiako.»

9Fa naniraka hilaza amin’ny mpanjakan’i Israely ny olon’Andriamanitra hoe: «Tandremo fandrao mandalo any Ananona ianao, fa midina any ny Sirianina.»

10Dia naniraka olona ho any amin’ny toerana voalaza sy natoron’ny olon’Andriamanitra ny mpanjakan’i Israely, ka niambina tsara teny, tsy indray mandeha na indroa ihany.

11Nahavelona ahiahy ny fon’ny mpanjakan’i Siria izany fihetsi-miaramila izany, ka niantso ny mpanompony izy, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: «Tsy tianareo hambara amiko va izay momba ny mpanjakan’i Israely eto amintsika?»

12Fa namaly kosa ny iray tamin’ireo mpanompony nanao hoe: «Tsy iza tsy iza, ry mpanjaka tompoko ô, fa i Elisea mpaminany ao amin’i Israely ihany, no milaza amin’ny mpanjakan’i Israely, na dia izay teny lazainao ao an’efitrano fandrianao aza.»

13Ka hoy ny mpanjaka: «Mandehana zahao izay itoerany, hanirahako hisambotra azy.» Dia nisy nilaza taminy hoe: «Indro izy, any Dôtàna.»

14Koa nandefa soavaly aman-kalesy ary miaramila betsaka, antokony iray, ho any izy; dia tonga alina tany ireo, ka notemerany ny tanàna.

15Nifoha maraina koa kosa ny mpanompon’ny olon’Andriamanitra, ka nivoaka, ka indro antoko-miaramila anankiray manodidina ny tanàna omban-tsoavaly aman-kalesy. Ary hoy ilay mpanompo tamin’i Elisea hoe: «Indrisy tompoko, ahoana no hataontsika?»

16Fa hoy ny navaliny: «Aza matahotra na inona na inona, fa be noho ny momba azy ny momba antsika.»

17Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.

18Nony nirotsaka ho eo amin’ity olon’Andriamanitra ny Sirianina, nivavaka tamin’i Iaveh kosa i Elisea nanao hoe: «Raha sitrakao, asio fahajambana io firenena io.» Dia nasian’i Iaveh fanjambana ireo, araka ny tenin’i Elisea.

19Ka hoy i Elisea taminy: «Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna, fa izaho arahina, dia hitarika anareo ho any amin’ny lehilahy tadiavinareo.» Ary tany Samaria no nitarihany azy ireo,

20ka nony tafiditra tao Samaria izy, dia hoy i Elisea: «Iaveh ô, sokafy ny mason’ireto olona ireto, mba hahitany.» Nosokafan’i Iaveh ny mason’izy ireo dia nahita, ka indro fa tao afovoan’i Samaria izy.

21Nony nahita azy ireo kosa ny mpanjakan’i Israely, dia nilaza tamin’i Elisea hoe: «Hasiako amin’izao ve, hasiako amin’izao ve, ry ikaky ô?»

22Fa namaly i Elisea hoe: «Aza mamely. Izay azonao babo tamin’ny sabatra aman-tsipìkanao no asio, fa ireto kosa rosoy mofo sy rano hohaniny sy hosotroiny, dia aoka izy handeha ho any amin’ny tompony.»

23Koa nasain’ny mpanjakan’i Israely nanaovana fanasana lehibe izy ireo, dia nihinana sy nisotro, vao nalefany handeha ho any amin’ny tompony. Izay dia tsy niverina tamin’ny tanin’i Israely intsony ny mpitoha ady Sirianina.

Voan’ny mosary i Samaria nafahy rano

24Taorian’izany, novorin’i Benhadada mpanjakan’i Siria ny tafiny rehetra, dia niakatra nanao fahirano an’i Samaria izy.

25Nisy mosary lehibe tao Samaria, ary indro fa mafy loatra no nanaovana fahirano azy ka lafo volafotsy valopolo sikla ny loham-boriky iray, ary volafotsy dimy sikla, ny taim-boromahailala ampahefatry ny kaba.

26Nony nandalo teny ambonin’ny manda kosa ny mpanjakan’i Israely, dia nisy vehivavy anankiray nitaraina taminy hoe: «Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko ô!»

27Dia hoy izy: «Raha i Iaveh tsy mamonjy anao, amin’inona no azoko amonjena anao? Amin’ny vokatry ny famoloana sa amin’ny famiazam-boaloboka?»

28Hoy koa ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao?» Dia hoy ilay vehivavy: «Ravehivavy ity no nanao tamiko hoe: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, fa ny ahy kosa hohanintsika rahampitso.

29Ary efa nandrahoinay sy nohaninay ny zanako. Nony ampitso anefa nilazako izy nataoko hoe: Aiza ny zanakao hohanintsika? Kanjo efa nafeniny ny zanany!»

30Nony nandre ny tenin’io vehivavy io ny mpanjaka, dia nandrovitra ny fitafiany raha ilay nandalo teny ambony manda iny izy, ary hitan’ny vahoaka, ka indro ambanin’ny fitafiany, nitafy lasàka manolo-koditra azy izy.

31Ary hoy ny mpanjaka: «Hataon’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tafajanona eo amin’ny tenany ihany anio ny lohan’i Elisea zanak’i Safata.»

Ambaran’i Elisea fa hitsahatra haingana ny fitsapana

32Ary dieny mbola nipetraka tao an-tranony i Elisea, ary nipetraka teo aminy koa ny loholona, dia naniraka olona avy ao aminy ny mpanjaka. Tsy mbola tonga tao amin’i Elisea akory anefa ilay iraka, dia hoy i Elisea tamin’ny loholona: «Fantatrareo va fa naniraka olona hanala amiko ny lohako ilay zanaky ny mpamono olona iny? Tandremo fa rehefa tonga ny iraka, dia akatòny ny varavarana, tereo amin’ny varavarana izy Injay re manaraka any aoriany koa ny fingadongadon’ny tongotry ny tompony.»

33Mbola niteny tamin’ireo izy, dia tafidina nankeo aminy sahady ilay iraka, ka nanao hoe: «Indro avy amin’i Iaveh izao loza izao, ka inona intsony no azoko antenaina amin’i Iaveh?»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help