1Izao no ho tonga any am-paran’ny andro any:
ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh,
haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra,
sy hasandratra eo ambonin’ny havoana.
Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena.
2Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe:
Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh,
any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba;
fa hampianariny antsika ny lalany,
dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika.
Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna,
ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.
3Ho elanelam-panahy amin’ny firenena maro izy
sy ho mpitsara ny vahoaka mahery hatrany lavitra any.
Hanefy ny sabany ho lelan’angadin’omby ireny
ary ny lefony ho antsy fijinjana;
tsy hanainga sabatra hamely ny hafa, ny firenena,
ary tsy hianatra ady intsony ny olona.
4Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy;
sy eny ambanin’ny aviaviny;
tsy hisy olona hanelingelina azy akory;
fa ny vavan’i Iavehn’ny tafika no efa niteny.
5Satria ny firenena rehetra samy mandeha
amin’ny anaran’ny andriamaniny avy,
ary isika mandeha amin’ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitsika
mandrakizay dia ho mandrakizay.
Ho vory ao Siôna ireo ondry efa niely6Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, -
horaisiko ny mandringa, hovoriko ny efa mihahaka,
sy izay efa nasiako mafy.
7Ny mandringa hataoko ho sisa,
ary ny lasa lavitra ho firenena mahery;
ka i Iaveh hanjaka amin’izy ireo
ao an-tendrombohitra Siôna hatramin’izay ka ho mandrakizay.
8Ary ianao, ry tilikambon’ny andiam-biby fiompy,
tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna,
ho tonga hatreo aminao, dia hiverina aminao
ny fanapahana taloha,
dia ny fanjakana izay ananan’ny zanaka vavin’i Jerosalema.
Hatao fahirano i Siôna, horoahina, fa hafahafa9Nahoana no manezaka mitaraina ianao ankehitriny?
Tsy misy mpanjaka va eo aminao,
ary levona ny mpanolo-tsainao,
no dia voan’ny fanaintanana ianao,
toy ny vehivavy raha miteraka?
10Aoka ho voan’ny fanaintainana sy hanezaka ianao,
ry zanaka vavin’i Siôna, toy ny vehivavy raha miteraka!
Fa efa hivoaka ny tanàna ianao ankehitriny,
ka nonina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilôna;
any no hanafahana anao;
any no hanavotan’i Iaveh anao,
ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.
Torotoroina eo am-pamoloana ao Siôna ny firenen-kafa11Ankehitriny kosa efa tafavory hamely anao,
ny firenena maro;
ka manao hoe: Aoka halàm-baraka izy,
ary aoka hibanjina an’i Siôna ny masontsika!
12Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Iaveh;
ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany,
dia ny nanambàrany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana.
13Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna,
fa ny tandrokao hataoko vy,
ary ny kitronao, hataoko varahina,
ka hanorotoro firenena maro ianao,
ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho,
sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra.
Fahoriana amam-boninahitry ny taranak’i Davida14Koa ankehitriny, ry zanaka vavin’ny antoko miaramila,
vorio ny antoko - miaramilanao!
Fa isika efa natao fahirano;
asiana ny tsora-kazo amin’ny takolany
ny mpitsara an’i Israely
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.