Izaia 2 - Malagasy Catholic Bible

1Ny teny hitan’i Izaia, zanak’i Amôsa momba an’i Jodà sy i Jerosalema.

Fiadanana maharitra(Jereo Mik 4,1-3)

2Izao no ho tonga any amin’ny andro farany;

ny tendrombohitry ny tranon’i Iaveh,

hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra;

sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana.

Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,

3ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe:

«Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh,

any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba;

hampianatra antsika ny lalàny Izy,

ary hizotra amin’ny lalany isika.

Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna,

ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»

4Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy,

ary ho mpitsara ny firenena maro.

Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby,

ary ny lefony ho antsy fijinjana.

Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa,

ary tsy hianatra ady intsony ny olona.

5Avia, ry taranak’i Jakôba,

ka aoka handeha amin’ny fahazavan’i Iaveh isika.

Fisehoan’i Iaveh

6Fa efa nandao ny vahoakanao Ianao,

ny taranak’i Jakôba,

satria efa feno tafahoatra hatry ny ela ny helony;

manaraka ny fankatoavana toy ny Filistinina izy,

ary mifandray tanana amin’ny zanaky ny hafa firenena.

7Feno volafotsy sy volamena ny taniny,

ary ny rakitra ao aminy tsy misy fetra;

8feno soavaly ny taniny,

ka tsy hita isa ny kalesiny.

Feno sampy ny taniny,

ary miankohoka eo anatrehan’ny asan-tanany izy ireo,

dia eo anatrehan’ny zavatra narafitry ny rantsan-tanany.

9Noho izany, haetry ny olona,

ary haiva ny olombelona:

Eny, tsy hamela ny helony Ianao!

10Midira ao anaty vatolampy, miere ao anaty vovoka,

eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh sy ny famirapiratan’ny fiandrianany.

11Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika,

ary ny avonavon’ny olombelona, haetry,

fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany,

amin’izany andro izany.

12Satria hisy andro anankiray ho an’i Iaveh,

hamelezany ny fiavonavonana rehetra sy ny fianjonanjonana rehetra,

hamelezana izay misandratra rehetra, hanonganany azy:

13hamelezana ny sedera avo sy manerinerina rehetra any Libàna,

mbamin’ny aoka rehetra any Basana;

14hamelezana ny tendrombohitra avo rehetra,

mbamin’ny havoana manerinerina rehetra;

15hamelezana ny tilikambo mijoalajoala rehetra,

mbamin’ny manda mafy rehetra;

16hamelezana ny sambon’i Tarsisa rehetra,

mbamin’izay mahafinaritra ny maso rehetra.

17Ny reharehan’ny olona, haongana,

ary ny avonavon’ny olombelona, haetry,

fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany,

amin’izany andro izany.

18Ny sampy ho foana avokoa.

19Dia hiditra anatin’ny zoma amin’ny vatolampy ny olona,

sy anatin’ny zohy amin’ny tany,

eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh,

sy ny famirapiratan’ny fiandrianany,

rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.

20Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona

ny sampiny volafotsy sy volamena,

izay nataony hivavahany,

ho an’ny voalavo sy ny ramanavy;

21izy kosa handositra ho any an-dava-bato,

sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato,

eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh,

sy ny famirapiratry ny fiandrianany,

rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.

22Koa atsaharo ny fitoky amin’olombelona,

izay tsy misy afa-tsy fofon’aina kely foana eo am-bavorony;

ka hatao inona izy?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help