Jôba 35 - Malagasy Catholic Bible

Tsy hoe tsy miraharaha ny mihatra amin’ny olombelona Andriamanitra.

1Ary niteny indray i Eliò ka nanao hoe:

2«Moa ataonao ho rariny va,

ny milaza hoe: ‹Ny ahy no marina noho ny an’Andriamanitra?›

3Fa hoy ianao: ‹Mampaninona ahy moa izay tsy fananako tsiny?

Inona no soa azoko mihoatra noho ny raha nanota aho?›

4Indro fa hamaly anao aho,

ary miaraka amin’izany koa ireo sakaizanao.

5Tazano irỳ lanitra ka jereo;

zahao ny rahona; avo noho ianao izy.

6Raha manota ianao, faty antoka inona moa no mahazo azy,

raha mihamaro ny hadisoanao, mampaninona azy akory?

7Raha marina ianao, manome inona azy amin’izany?

Inona no raisiny avy eo an-tananao?

8Ny olona tahaka anao no hany voan’ny ratsy ataonao;

ny zanak’olombelona no hany soa amin’ny fahamarinanao.

9Mitaraina noho ny mafy afitsoky ny mpampahory ireo tra-pahoriana,

midridridridry eo ambanin’ny tanan’ny mahery izy ireo.

10Fa tsy misy manao hoe: ‹Aiza re Andriamanitra mpahary ahy,

izay mahatonga hira fifaliana amin’ny alina,

11izay nanao antsika manan-tsaina noho ny biby eto an-tany,

sy hendry noho ny voromanidina?›

12Amin’izay, izy mitaraina ka tsy henoina,

eo ambany famoretan’ny ratsy fanahy be avonavona.

13Tsy mihaino izay teniteny foana Andriamanitra

tsy mijery izany ny Tsitoha.

14Raha hoy ianao aminy: ‹Tsy mahita izay zava-miseho akory Ianao›,

dia efa mby eo anatrehany ny momba anao, ka andraso ny fitsaràny.

15Saingy raha mbola tsy mamely ny fahatezerany

ka hoatra ny tsy mahalala ny fahadalany izy,

16dia indro mety mandefa vava miteniteny foana i Jôba,

sy mitaria lava amin’ny lahateny tsy misy heviny.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help