Mpitsara 13 - Malagasy Catholic Bible

12. I SAMSÔNAFanambaràna ny hahaterahan’i Samsôna

1Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh indray ny zanak’i Israely ka natolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina, nandritra ny efapolo taona.

2Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manôe, fianakavian’i Danita, avy amin’ny Saraà; momba ny vadiny, ka tsy niteraka.

3Niseho tamin-dravehivavy ny Anjelin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Momba ianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa ianao, ka hitera-dahy.

4Ary ankehitriny mitandrema tsara, fa aza misotro divay na lalikera mahery, na mihinan-java-maloto,

5fa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy. Tsy hokasihin-kareza ny lohany, fa io zaza io ho nazarean’Andriamanitra hatrany am-bohoka; ary izy no hanomboka hanafaka an’i Israely amin’ny tanan’ny Filistinina».

6Dia nandeha nilaza tamin’ny lahy ravehivavy nanao hoe: «Nisy olon’Andriamanitra tonga tatỳ amiko; tahaka ny Anjelin’Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay niaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;

7fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy; koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto, fa ho nazarean’Andriamanitra io zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny».

Niseho fanindroany ny Anjely

8Dia niantso an’i Iaveh i Manôe tamin’izay ka nanao hoe: «Tompo ô, raha sitrakao, dia aoka hiverina atỳ aminay indray ilay olon’Andriamanitra nirahinao, ka hanoro izay tokony hataonay amin’ny zaza ho teraka».

9Neken’Andriamanitra ny fangatahana nataon’i Manôe, ka tonga tamin’ny vavy indray ilay Anjelin’Andriamanitra. Tany an-tsaha izy no nipetraka ary tsy niaraka tamin’i Manôe vadiny:

10ka lasa nihazakazaka faingana ravehivavy hampandre izany ny lahy, ka nilaza taminy hoe: «Indro niseho tamiko ilay lehilahy tonga amiko indray andro irỳ».

11Dia nitsangana i Manôe, ka nanaraka ny vavy nankany amin-dralehilahy sy nanao taminy hoe: «Ianao va izany niteny tamin’ity vehivavy ity izany?» Hoy ny navaliny: «Izaho.»

12Dia hoy i Manôe: «Amin’izao àry rehefa tanteraka ny teninao, inona no tsy maintsy tandremanay momba izany zaza izany, ary inona no tsy maintsy atao ho azy?»

13Ka hoy ny navalin’ilay Anjelin’i Iaveh an’i Manôe: «Hifady izay rehetra voalazako taminy ravehivavy;

14tsy hihinana na inona na inona rehefa mety ho zavatra avy amin’ny voaloboka; tsy hisotro divay na lalikera mahery izy, ary tsy hihinan-java-maloto izy: hotandremany avokoa izay rehetra nandidiako azy.»

15Dia hoy i Manôe tamin’ilay Anjelin’i Iaveh: «Aoka re mba hohazoninay ianao sy hanamboaranay zanak’osy.»

16Ary hoy ny navalin’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’i Manôe: «Na dia tananao aza aho dia tsy hihinana amin’izay haninao, fa raha te-hanamboatra sorona dorana ho an’i Iaveh ianao, dia atero izany.» Tsy nahalala i Manôe fa ilay Anjelin’i Iaveh io.

17Ka hoy i Manôe tamin’ilay Anjelin’i Iaveh: «Iza moa no anaranao; mba hanomezanay voninahitra anao, rehefa tanteraka ny teninao?»

18Ary hoy ny navalin’ilay Anjelin’i Iaveh azy: «Ahoana no anontanianao ahy ny anarako? Mahagaga no izy».

19Dia nalain’i Manôe ny zanak’osy sy ny fanatitra ka nateriny ho an’i Iaveh teo ambonin’ny vatolampy; ary nanao fahagagana i Iaveh raha mbola nijery teo i Manôe sy ny vadiny.

20Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin’ny ôtely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin’ny lelafon’ny ôtely ilay Anjelin’i Iaveh. Raha nahita izany i Manôe mivady dia lavo niankohoka tamin’ny tany.

21Ary tsy niseho tamin’i Manôe mivady intsony ilay Anjelin’i Iaveh. Izay vao fantatr’i Manôe fa ilay Anjelin’i Iaveh iny.

22Ka hoy i Manôe tamin’ny vavy: «Ho faty izao isika fa efa nahita an’Andriamanitra».

23Fa hoy ny navalin’ny vavy taminy: «Raha ny hahafaty antsika no tian’i Iaveh dia tsy ho nandray izay sorona dorana amana fanatitra tamin’ny tanantsika izy, na ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, na ho nampandre antsika androany zavatra toy izao».

24Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Samsôna no anarany. Dia nitombo ny zaza, sady notahin’i Iaveh.

25Dia nanomboka nitaona azy ho any Makaneha-Dana anelanelan’i Saraà sy i Estaola ny fanahin’i Iaveh.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help