Salamo 3 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 3Antso vao maraina ataon’ny olo-marina enjehina

1 Tononkiran’i Davida; fony izy nandositra teo anatrehan’i Absalôma zanany .

2Ry Iaveh ô, akory izato hamaroan’ny fahavaloko!

Endrey ity habetsahan’ireo mitsangan-kamely ahy!

3Maro ny milaza ny amiko manao hoe:

«Tsy misy famonjena ho azy intsony eo

amin’Andriamanitra!»

- Selà

4Kanefa, ry Iaveh, Ianao no ampingako;

Ianao no voninahitro sy manandratra ny lohako.

5Miantso an’i Iaveh amin’ny feoko aho,

dia mamaly ahy any an-tendrombohiny masina Izy.

- Selà

6Nandry aho dia natory;

nifoha indray aho, fa i Iaveh no tohako.

7Tsy matahotra aho, eo anoloan’ny vahoaka tsy tambo isaina,

izay mivangongo manodidina ahy hatraiza hatraiza.

8Mitsangàna, ry Iaveh ô! Vonjeo aho, ry Andriamanitro!

Fa Ianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra;

Ianao no manorotoro ny nifin’ny ratsy fanahy.

9An’i Iaveh ny famonjena!

Ho amin’ny vahoakanao anie ny fanambinanao!

- Selà

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help