Tononkira dia Tononkira 2 - Malagasy Catholic Bible

Ampakarina

1Izaho, dia narsisa any Arôna,

lisy eny an-dohasaha.

Mpampakatra

2Toy ny lisy eo afovoan’ny tsilo,

ny malalako eo amin’ny zazavavy.

Ampakarina

3Toy ny foto-pôma any afovoan’ny hazo any an’ala,

ny malalako eo amin’ny zazalahy.

Niriko ny hipetraka eo ambanin’ny alokalony,

ary mamy ao am-bavako ny voany.

4Nampidiriny ao an-tranon-divainy aho,

ary fitiavana no faneva atsangany ho ahy.

5Tohano ampempam-boaloboka aho,

hatanjaho amin’ny pôma aho,

fa matim-pitia ny foko.

6Hanondana ahy anie ny tanany havia,

ary hanohona ahy ny tanany ankavanana.

Mpampakatra

7Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra,

noho ny gazela aman-tserfavavy eny an-tsaha,

aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,

raha tsy efa sitrapony.

TONONKALO FAHAROAAmpakarina

8Injay ny feon’ny malalako, indrỳ tamy izy,

miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra;

mitsambikina amin’ny havoana.

9Manahaka ny gazela ny malalako,

sy ny zanaky ny serfa vavy.

Indro izy eo ivohon-drindrin-tranonay

mijery eo am-baravarankely,

mijery eo amin’ny makarakara.

10Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe:

«Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!

11Fa indro ny ririnina efa lasa;

ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.

12Ny voninkazo efa miposaka amin’ny tany;

ny fotoana fihirana efa tonga.

Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;

13efa mipoitra ny voan’aviavy vao mitsimoka,

ny voaloboka mamòny efa mamerovero;

mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!

14Ry voromahailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato;

eo amin’ny fialofan’ny rindrim-bato mideza,

asehoy ahy ny endrikao,

ampandreneso ahy ny feonao,

fa mamy ny feonao,

ary mahafinaritra ny endrikao».

15Isambory ny fosa izahay

ny fosa madinika

izay manimba ny tanimboaloboka;

fa efa mamòny ny voalobokay.

16Ahy ny malalako, ary azy aho;

miandry ny ondriny eny amin’ny lisy izy.

17Alohan’ny hangatsiatsiahan’ny andro,

sy hahalasanan’ny aloka,

mba miverena... Ry malalako, aoka ianao hanahaka

ny gazela na ny zanaky ny serfa vavy

eny an-tendrombohitra voatsefatsefaka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help