2Samoela 3 - Malagasy Catholic Bible

1Naharitra ela ny adin’ny fianakavian’i Saola sy ny fianakavian’i Davida. I Davida nandroso nihanahery, fa ny fianakavian’i Saola kosa nihaosa miandalandalana.

Ireo zanak’i Davida teraka tany Hebrôna(Jereo 1Tan 3,1-14; 2Sam 5,13-16)

2Niteraka lahy maro i Davida tao Hebrôna; i Amôna naterak’i Akinôama avy any Jezraela no lahimatoa.

3I Keleaba naterak’i Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin’i Nabala, no lahiaivo; i Absalôna, zanak’i Maakà, zanaka vavin’i Tolmaia, mpanjakan’i Gesora, no fahatelo;

4i Adoniasy zanak’i Hagita, no fahefatra; i Safatià zanak’i Abitala, no fahadimy.

5Ary i Jetraama naterak’i Eglà vadin’i Davida, no fahenina. Ireo no zazalahy naterak’i Davida tao Hebrôna.

Rava ny fihavanan’i Abnera sy i Isbôseta

6Tamin’ny andro niadian’ny fianakavian’i Saola sy ny fianakavian’i Davida, dia nihamahery i Abnera tao amin’ny tranon’i Saola.

7Ary nisy vaditsindranon’i Saola anankiray natao hoe Resfà zanaka vavin’i Aià; ary hoy i Isbôseta tamin’i Abnera hoe:

8«Ahoana no nandeha tamin’ny vaditsindranon’Ikaky ianao?» Ka tezitra mafy i Abnera noho ny tenin’i Isbôseta ka namaly hoe: «Lohan’alika anisan’i Jodà va aho? Amin’izao, mampiseho fitiavana ny tranon’i Saola, rainao, sy ny rahalahiny aman-tsakaizany aho, ary tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida ka dia izao ianao no manìny ahy amin’ny hadisoana tamin’iny vehivavy iny?

9Hoentin’Andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie i Abnera raha tsy hataoko amin’i Davida araka izay nianianan’i Iaveh taminy,

10fa hoesoriny amin’ny fianakavian’i Saola ny fanjakana ka hatsangany amin’i Israely sy i Jodà hatrany Dana ka hatrany Bersabea ny seza fiandrianan’i Davida.»

11Tsy nahavaly an’i Abnera i Isbôseta, na indraimbava aza, fa natahotra azy.

I Abnera nifampiraharaha amin’i Davida

12Dia nandefa iraka nankany amin’i Davida i Abnera hilaza aminy, amin’ny anarany, hoe: «An’iza ny tany? Manaova fanekena amiko, dia homba anao ny tanako hampihodina an’i Israely rehetra hankaminao.»

13Ary novaliany hoe: «Tsara izany; hanao fanekena aminao aho, fa zavatra iray loha no angatahiko aminao, dia ny tsy hahitanao ny tavako raha tsy entinao atỳ amiko i Mikola zanaka vavin’i Saola rehefa ho avy ianao hifankahita tava amiko.»

14Dia nandefa iraka ho any amin’i Isbôseta zanak’i Saola i Davida hanao aminy hoe: «Omeo ahy i Mikola vadiko izay nampakariko notakalozako hodi-tsy miforan’ny Filistinina zato.»

15Ka nampanalain’i Isbôseta i Mikola tany amin’i Faltiela vadiny, zanak’i Laïsa,

16ary nanaraka azy ny lahy, nandeha sy nitomany avy ao aoriana, hatreo Batorima, fa nony mby teo, dia hoy i Abnera taminy: «Mandehana miverina.» Ka dia niverina izy.

17Nisy dinidinika nataon’i Abnera tamin’ny loholon’i Israely, ka hoy izy tamin’izy ireo: «Efa ela no nanirianareo an’i Davida ho mpanjakanareo,

18koa misikìna àry ankehitriny, fa i Iaveh nilaza tamin’i Davida hoe: Amin’ny tanan’i Davida, mpanompoko, no hanafahako an’i Israely vahoakako amin’ny tanan’ny Filistinina, sy amin’ny tanan’ny fahavalony rehetra.»

19Ary niresaka tamin’i Benjamina koa i Abnera, ary lasa i Abnera hilaza ho henon’i Davida any Hebrôna izay noheverin’i Israely sy ny taranak’i Benjamina rehetra ho mety.

20Dia tonga tany amin’i Davida, tany Hebrôna i Abnera, nomban’olona roapolo lahy. Ary nanao fanasana ho an’i Abnera sy ho an’ny olona nanaraka azy i Davida.

21Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: «Hitsangana aho ka hiainga hamory an’i Israely rehetra ho atỳ amin’ny mpanjaka tompoko, ary hanao fanekena aminao izy, ka hanjaka amin’izay rehetra irin’ny fonao ianao.» Dia nalefan’i Davida i Abnera ka nandeha amim-piadanana.

Ny namonoana an’i Abnera

22Fa indreto kosa tamy ny mpanompon’i Davida sy i Jôaba avy nitoha ka nitondra babo betsaka niaraka taminy. Tsy teo amin’i Davida tao Hebrôna intsony i Abnera, fa efa nalefany handeha ka nandeha tamim-piadanana izy.

23Dia tonga i Jôaba sy ny antokon’olona rehetra niaraka taminy, ka nisy nilaza tamin’i Jôaba hoe: «Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abnera zanak’i Nera, fa nalefany ka lasa nandeha tamim-piadanana izy!»

24Dia nankao amin’ny mpanjaka i Jôaba ka nanao hoe: «Inona no nataonao? Tonga teto aminao i Abnera, ka nahoana no nalefanao sy navelanao handeha? Fantatro anefa i Abnera zanak’i Nera.

25Fa ny hamitaka anao no nahatongavany tatỳ ary hitsikilo ny fanaonao sy hahalala ny ataonao rehetra!»

26Nony avy eo amin’i Davida i Jôaba dia naniraka olona hanara-dia an’i Abnera, ka avy amin’ny famorian-drano any Sira no nitondrany azy miverina; tsy fantatr’i Davida velively anefa izany.

27Nony tafaverina tao Hebrôna dia nentin’i Jôaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin’ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin’ny ran’i Asaela, rahalahin’i Jôaba.

28Ren’i Davida izany, tatỳ aoriana, ka hoy izy: «Tsy manan-tsiny mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh aho sy ny fanjakako, ny amin’ny ran’i Abnera zanak’i Nera.

29Fa amin’ny lohan’i Jôaba sy ny ankohonan-drainy rehetra anie izany: ka tsy ho tapaka eo amin’ny fianakavian’i Jôaba ny marary mitsi-dra na boka, na mampandihy ampela na lavon-tsabatra, na tsy ampy hanina.»

30Dia toy izany no namonoan’i Jôaba sy i Abisaia rahalahiny an’i Abnera, noho ny namonoany an’i Asaela rahalahiny tany Gabaôna tamin’ny ady.

31Ary hoy i Davida tamin’i Jôaba sy ny vahoaka rehetra teo aminy: «Triaro ny fitafianareo, misikìna lasàka, ary aoka hisaona eo alohan’i Abnera ianareo.» Dia nandeha teo aorian’ny tranovorona i Davida mpanjaka.

32Tao Hebrôna no nalevina i Abnera. Nitomany tamin’ny feo avo ny mpanjaka teo amin’ny fasan’i Abnera, ary nitomany koa ny vahoaka rehetra.

33Nanao hira fisaonana an’i Abnera ny mpanjaka nanao hoe:

«Toy ny fahafatin’adala va no tokony ho nahafatesan’i Abnera?

34Tsy nifatotra ny tananao,

tsy nigadra ny tongotrao,

Fa toy ny fahavalon’olona sehatra ny olon-dratsy ny nahalavo anao!»

Dia nanohy nigogogogo nitomany an’i Abnera ny vahoaka rehetra;

35ary nanatona an’i Davida nampihinan-kanina azy ny vahoaka rehetra, raha mbola antoandro ny andro; nefa nianiana i Davida nanao hoe: «Hoentin’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha hanendry hanina na zavatra hafa na inona na inona, alohan’ny maty masoandro!»

36Hitan’ny vahoaka rehetra tsara izany, ka nankasitrahiny, toy ny nankasitrahany an’izay rehetra nataon’ny mpanjaka koa.

37Fantatry ny vahoaka rehetra sy i Israely rehetra, tamin’izany andro izany fa tsy mba avy amin’ny mpanjaka velively ny namonoana an’i Abnera, zanak’i Nera.

38Hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: «Tsy fantatrareo va fa mpifehy ary lehilahy ambony amin’i Israely no maty androany?

39Izaho na dia efa voahosotra ho mpanjaka aza, dia malemy fanahy, fa ireo lehilahy zanak’i Sarvià ireo kosa dia lozabe tokoa noho izaho. Hovalian’i Iaveh anie izay manao ny ratsy araka ny ratsy nataony!»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help