Levitika 23 - Malagasy Catholic Bible

Ireo fety mandritra ny taona(Jereo Eks 23,14)

1Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Ireto no fety lehibe ho an’i Iaveh izay hantsoinareo mba ho fivoriana masina; fetiko lehibe izany.»

A. Ny sabata(Jereo Eks 20,8)

3«Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin’ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona ianareo, fa fitsaharana voatokana ho an’i Iaveh io, any amin’izay tany rehetra honenanareo.»

4Ireto no fetin’i Iaveh, ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin’ny fotoany avy:

B. Ny Paka sy ny Azima(Jereo Eks 12,1; 23,14)

5«Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana amin’ilay àty takariva iny, dia Pakan’i Iaveh.

6Ary ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io, dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana an’i Iaveh; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay.

7Amin’ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo, ary tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.

8Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.»

D. Ny santa-bokatra(Jereo Deter 26,1)

9Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

10«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo ianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.

11Hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh io amboara io, hahitanareo sitraka aminy; ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.

12Amin’ny andro hanevahevanareo ny amboaram-bary, dia manatera zanak’ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema, hatao sorona ho an’i Iaveh.

13Ny fanatitra hampombaina an’io, dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilo, ho fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh; ary ny fanatitra araraka dia divay ampahefatry ny hina.

14Tsy hihina-mofo, na salohim-bary voaendy, na salohim-bary maitso hatramin’izany andro izany mandra-pitondrànareo ny fanatitra ho an’ny Andriamanitrareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’ny tany rehetra honenanareo.»

E. Fetin’ny herinandro

15Ary miantomboka amin’ny ampitson’ny sabata amin’ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva dia hanisa herinandro fito mipaka ianareo.

16Hanisa andro dimampolo ianareo aloha mandra-pahatongan’ny ampitson’ny sabata fahafito, dia hanatitra fanatitra vaovao amin’i Iaveh.

17Mitondrà, avy any an-tranonareo, mofo roa, ho fanatitra hahevaheva natao tamin’ny lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah, sy nandrahoina nasiana lalivay; santa-bokatra ho an’i Iaveh izany.

18Miaraka amin’ireo mofo ireo, ny haterinareo amin’i Iaveh ho sorona dorana dia zanak’ondry fito, samy efa iray taona, tsy misy kilema, vantotr’ombalahy iray, ondralahy roa; ampiarahina amin’ireo koa ny fanatitra sy ny fanatitra araraka; sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh izany.

19Dia mamonoa koa osy lahy iray ho sorona noho ny ota, sy zanak’ondry roa, efa iray taona, ho sorom-pihavanana.

20Hahevahevan’ny mpisorona ireny miaraka amin’ny mofo santa-bokatra ho fanatitra ahevaheva, eo anatrehan’i Iaveh, mbamin’ny zanak’ondry roa, dia ho voatokana ho an’i Iaveh, ka ho anjaran’ny mpisorona.

21Amin’io andro io indrindra no hiantsoanareo ny fety, ary hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay tany rehetra honenanareo.

22Rehefa nijinja ny vokatrareo ianareo any amin’ny taninareo, aza dia jinjaina hatrany an-tsisiny indrindra ny sahanareo, ary aza dia fakoina amin’ny vokatrareo ny hotsimponin’ny hafa, fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

F. Ny andro voalohan’ny volana fahafito

23Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

24«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Amin’ny volana fahafito, andro voalohan’ny volana, dia hisy fitsaharana lehibe ho anareo, hantsoina amin’ny feon’ny anjomara, fivoriana masina.

25Tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo, ary hanolotra sorona hatao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»

G. Ny andron’ny fanonerana(Jereo Lev 16; Fanis 29,7-11)

26Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

27«Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny fanonerana; hanao fivoriana masina ianareo, hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

28Tsy hanao asa na inona na inona, amin’izany andro izany ianareo, fa andro fanonerana io, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo.

29Hofongorana amin’ny fireneny ny olona rehetra tsy nampijaly tena amin’izany andro izany;

30ary holevoniko amin’ny fireneny ny olona rehetra manao asa na inona na inona amin’izany andro izany.

31Tsy hanao asa na inona na inona ianareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay tany rehetra honenanareo.

32Sabata ho anareo izany, fitsaharana amin’ny asa rehetra, ary hampijaly tena ianareo. Ny andro fahasivin’ny volana amin’ny hariva, hatramin’ny harivan’iny ka hatramin’ny ampitso dia hitandrina ny sabatanareo ianareo.»

Fetin’ny trano lay(Jereo Eks 23,14)

33Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

34«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana fahafito io, no fetin’ny tabernakla, mandritra ny hafitoana, ho fankalazana an’i Iaveh.

35Amin’ny andro voalohany, hisy fivoriana masina. Tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo;

36mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo, ary hanatitra sorona hatao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo, famaranam-pety izany: tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.»

Famaranana

37«Ireo no fetin’i Iaveh hantsoinareo hanaovana fivoriana masina, hanaterana amin’i Iaveh sorona atao amin’ny afo, sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka, samy amin’ny fotoany avy;

38afa-tsy ny fanomezanareo, afa-tsy ny fanalam-boadinareo rehetra, afa-tsy ny fanatitra an-tsitraponareo rehetra izay hatolotrareo an’i Iaveh.»

Momba ny trano lay indray

39«Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahafito, rehefa manangona ny vokatry ny tany ianareo dia hankalaza ny fetin’i Iaveh, mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany ho fitsaharana lehibe, ny andro fahavalo koa ho fitsaharana lehibe.

40Amin’ny andro voalohany haka voan’ny hazo tsara tarehy ianareo, sampan-drofia, rantsan’ny hazo mikirindro, ary hazo malahelo eny amoron-drenirano, ka hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo mandritra ny hafitoana.

41Hafitoana isan-taona no hanaovanareo izany fety izany ho fankalazana an’i Iaveh, lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany; amin’ny volana fahafito no hanaovanareo izany.

42Trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana, trano rantsan-kazo avokoa no hitoeran’ny tompon-tany rehetra amin’i Israely,

43mba hahafantaran’ny taranakareo fa trano rantsan-kazo no nampitoerako ny zanak’i Israely, fony Aho namoaka azy avy any amin’ny tany Ejipta. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»

44Dia nampahalalain’i Môizy ny zanak’i Israely ny fetin’i Iaveh.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help