1Izao no teny avy amin’i Iaveh, natao tamin’i Jeremia:
2Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Soraty amin’ny boky ny teny rehetra nolazaiko taminao.
3Fa indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hamerenako ny lasan-ko babo tamin’i Israely sy i Jodà vahoakako, ka hampodiako azy indray eo amin’ny tany efa nomeko ny razany, ka hanana azy izy.»
4Izao no teny nolazain’i Iaveh, ny amin’i Israely sy i Jodà:
5Izao no lazain’i Iaveh:
Feo mahatsiravina no efa renay;
fahatahorana izao, fa ny fiadanana tsy mba nisy!
6Anontanio sy zahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza.
Ka nahoana ity lehilahy rehetra no hitako
manery tehezana amin’ny tanany hoatra ny vehivavy mihetsi-jaza,
ary nahoana no tonga hatsatra avokoa ny tarehy?
7Loza! fa lehibe izany andro izany,
ka tsy misy toa azy!
Andro fahoriana ho an’i Jakôba izany,
kanefa hoafahana amin’izany izy.
8Fa hisy toy izao amin’izany andro izany,
- teny marin’i Iavehn’ny tafika, -
Hotapahiko ho afaka amin’ny vozonao ny jiogany,
ary hotsoahako ny fatoranao;
tsy hampanompo azy intsony ny olon-kafa;
9fa ho mpanaiky an’i Iaveh Andriamaniny izy ireo,
sy an’i Davida mpanjakany,
izay hatsangako ho azy.
10Koa aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko,
- teny marin’i Iaveh, -
ary aza manam-badi-po, ry Israely.
Fa indro Aho hanaisotra anao any an-tany lavitra,
sy ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy.
Dia ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana,
handry feizay, tsy hisy mpanabataba azy.
11Fa momba anao Aho, - teny marin’i Iaveh, -
hamonjy anao;
hataoko ringana ny firenena rehetra
nampielezako anao.
Fa ianao kosa, tsy mba haringako;
hofaiziko ara-drariny ihany ianao,
fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.
12Fa izao no lazain’i Iaveh:
Tsy azo sitranina ny ratranao,
manaintaina ny ferinao;
13tsy misy olona hisolo vava anao amin’ny adinao,
mba hamehezana ny ferinao,
tsy misy fanafody mahasitrana ho anao.
14Ny lehilahinao rehetra, nanadino anao,
fa tsy manan-draharaha aminao akory.
Satria nasiako toy ny famely fahavalo ianao,
tamin’ny famaizana lozan-tany,
noho ny habetsahan’ny helokao,
fa efa nitombo be ny fahotanao.
15Nahoana no mitaraina ianao noho ny faharatranao,
noho ny tsy fahazoana manasitrana ny ferinao?
Noho ny habetsahan’ny helokao ihany,
sy noho ny nitomboan’ny fahotanao,
no nanaovako izany zavatra izany taminao.
16Koa izay rehetra mandany anao, holanina;
izay rehetra mampahory anao, ho lasan-ko babo;
izay mamabo anao, hobaboina;
ary izay rehetra mandroba anao, hatolotro horobaina.
17Fa efa hamehy anao aho,
efa hositraniko amin’ny ferinao ianao,
-teny marin’i Iaveh.-
Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina,
Siôna tsy manam-piahy!
18Izao no lazain’i Iaveh:
Indro hatsangako indray ny lain’i Jakôba,
ary hamindrako fo ny fonenany;
ny tanàna haorina indray eo amin’ny havoany;
ary ny lapany hatsangana indray eo amin’ny fitoerany.
19Hira fiderana no hivoaka avy ao,
sy hobim-piravoravoana.
Hahamaro azy Aho, ka tsy hohavitsîna intsony izy;
hanome voninahitra azy Aho, ka tsy hohamavoina intsony izy;
20ho tahaka ny taloha ny zanany;
hiorina mafy eo anatrehako ny fiangonany,
ary hofaiziko avokoa ny mpampahory azy.
21Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany;
ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy;
hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy;
fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony,
ka mba hanatona Ahy? - teny marin’i Iaveh. -
22Ary ianareo dia ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo.
23Indro, ny tafio-drivotr’i Iaveh, ny fahatezerana efa hipoaka:
mivatravatra ny ranonoram-baratra,
miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.
24Tsy hihemotra ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh,
raha tsy efa niasa sy nanatanteraka ny hevitry ny fony Izy:
ho fantatrareo any am-paran’ny andro any.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.