1Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin’ny ôtely aho,
ka hoy izy: «Asio ny koronosy,
ary aoka hihozongozona ny tokonana;
dia torotoroy izy mamely ny lohan’izy rehetra!
Ary izay sisa dia hovonoiko amin’ny sabatra;
tsy hisy ho afaka, tsy hisy ho afa-mandositra.
2Raha mitsofoka ho any amin’ny Seoly izy ireo
hotsoahan’ny tanako avy any;
raha miakatra any an-danitra,
hampidiniko avy any.
3Raha miery any an-tampon’i Karmela izy,
hotadiaviko any, sy halaiko ihany;
ary raha miafina ny masoko any anaty ranomasina izy,
hodidiako hanaikitra azy any ny bibilava.
4Ary raha lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony izy,
hodidiako hamono azy any ny sabatra.
Ka hifàntoka aminy ny masoko,
nefa tsy hahatonga soa, fa loza ho azy izany.
Fiderana an’Andriamanitra(Jereo Am 4,13; 5,8)5Ny Tompo Iavehn’ny tafika
mikasika ny tany ka miempo izy,
ary misaona avokoa ny mponina eo aminy;
misondrotra tahaka an’i Nila izy manontolo,
ary mietry tahaka ny onin’i Ejipta izy.
6Manao ny ambaratongany any an-danitra izy,
ary manorina ny andohalambony etỳ ambonin’ny tany;
miantso ny rano eo amin’ny ranomasina izy,
dia nampiely azy etỳ ambonin’ny tany;
Iaveh no Anarany.
Tsy hotsimbinina i Israely7Moa tsy toy ny taranaky ny Kosita va ianareo, raha amiko,
ry zanak’i Israely? - teny marin’i Iaveh. -
Moa i Israely va, tsy nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta,
sy ny Filistinina avy tany Kafitôra, ary ny Sirianina avy tany Kira?
8Indro, ny mason’ny Tompo Iaveh
mifàntoka amin’ny fanjakana mpanota;
ka hofongorana tsy ho eo ambonin’ny tany izy.
Ny mpanota ihany no ho fatyNefa tsy dia hofongorako manontolo tsy akory
ny taranak’i Jakôba, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
9Fa indro efa hamoaka didy Aho,
ka hosivaniko any amin’ny firenena rehetra any ny taranak’i Israely,
toy ny fanasivana vary amin’ny sivana,
ka tsy hisy latsaka amin’ny tany ny voa tsara.
10Ho fatin’ny sabatra avokoa ny mpanota, amin’ny vahoakako,
izay manao hoe: Tsy hanakaiky anay akory ny loza
tsy hahatratra anay akory ny loza.
4. MBOLA HITSANGANA NY FANJAKAN’I DAVIDA KA HIARINA11Amin’izany andro izany ny tranobongon’i Davida efa nianjera, hatsangako indray,
ny banga hotampenako, ny rava hamboariko;
ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;
12mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma,
mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako,
- teny marin’i Iaveh, - izay manao izany zavatra izany.
13Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, -
ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja;
ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy;
hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao,
ary ny havoana rehetra hitsonika.
14Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako;
ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray;
ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy;
hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
15Hamboleko eo amin’ny taniny izy,
ka tsy hongotana intsony hiala amin’ny tany,
izay efa nomeko azy», hoy i Iaveh Andriamanitrao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.