1Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa, dia nisy teny nambara tamin’i Daniela, izay natao hoe Baltasara, marina izany teny izany, ary ady lehibe no lazainy. Azony an-tsaina ny teny, sady fantany hevitra ny fahitana.
2Tamin’izany andro izany aho Daniela, nisaona nandritra ny andro roatokombolana.
3Tsy nihinan-kanim-pỳ akory aho, tsy nisy niditra ny vavako na hena na divay; ary tsy nihosotra aho, mandra-pahatapitry ny andro roatokombolana maninjitra.
4Tamin’ny andro faha-24n’ny volana voalohany aho, teo amoron’ny ony lehibe atao hoe Tigra.
5Nanopy ny masoko nijery aho, ka indro, nisy lehilahy anankiray, nitafy rongony fotsy, sy nihetra tamin’ny hetra volamena avy any Ofaza.
6Tahaka ny krizôlita ny tenany, hoatra ny hela-baratra no fijery ny tarehiny, tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, mivolom-barahina manganohano ny sandriny amam-tongony, hoatra ny feon’olona maro be ny feony, raha miteny izy.
7Izaho Daniela irery no nahita ny fisehoana fa ny olona niaraka tamiko teo tsy mba nahita ny fisehoana; azon’ny tahotra mafy izy ireo, ka nandositra niery.
8Dia izaho irery no nijanona teo, ka nahita izany fisehoana lehibe izany, ka tsy nisy hery sisa intsony tafajanona tao amiko, ny tarehiko niova volo, fa tonga nivaloarika aho, ary tsy nisy hery intsony tamiko.
Fisehoan’ny Anjely9Reko ny feony niteny, fa vao nandre ny feony niteny aho, dia nirona natory, ka nihohoka tamin’ny tany.
10Dia injay tanana nanohitra ahy, ka nampianariny ahy handohalika sy hitehin-tanana.
11Dia hoy izy tamiko hoe: «Ry Daniela, olo-malalan’Andriamanitra ô, fantaro izao teny holazaiko aminao izao, ka mitsangàna ianao fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny.» Nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana aho nangovitra.
12Ary hoy izy tamiko: «Aza matahotra, ry Daniela, fa hatramin’ilay andro voalohany nandatsahanao am-po ny hahalala ny hanetry tena eo anatrehan’Andriamanitrao, dia nohenoina ny teninao, ary izaho no tonga dia noho ny teninao.
13Fa nitsangana teo anoloako, 21 andro, ilay filohan’ny fanjakan’i Persa, ary i Misely anisan’ireo filohany ambony no tonga nanampy ahy, ka nijanona teo akaikin’ny mpanjakan’i Persa aho.
14Ary ny hampahafantatra anao ny hanjò ny firenenao any am-parany any, no nahatongavako, satria mbola fahitana ny amin’ny any aoriana koa izany.»
15Tamin’ny nilazany izany teny izany tamiko, dia niondrika tamin’ny tany ny tarehiko, sady tsy nahateny aho,
16Fa indro kosa nisy anankiray nitarehin-janak’olombelona, nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho, ka niteny dia nilaza tamin’ilay nitsangana teo anatrehako, nanao hoe: «Tompokolahy ô, very hevitra aho, azon’izany fahitana izany, ka tsy manan-kery intsony.
17Hataon’ity mpanompon’ny Tompoko ity ahoana moa no fiteny amin’ny tompoko eo. Amin’izao sady tsy manan-kery aho, no tsy nisy aina intsony akory koa.»
18Fa ilay nitarehin-janak’olombelona indray no nanendry ahy sy nankahery ahy. Dia hoy izy tamiko:
19«Aza matahotra, ry olo-malalan’Andriamanitra; ho aminao anie ny fiadanana! Matokia, matokia!» Mbola niteny tamiko teo izy, dia efa nahazo hery aho, ka nanao hoe: «Efa nankahery ahy ianao.»
Filazana ny faminaniana20Hoy izy tamiko: «Fantatrao va ny nahatongavako atỳ aminao? Ankehitriny aho, ary amin’ny fotoana handehanako, dia indro ho avy ny filohan’i Javàna.
21Hambarako anao anefa ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana, ary tsy misy mitsangana momba azy hanohitra an’ireo afa-tsy i Misely filohanareo ihany.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.