1Ianareo zanaka, maneke ao amin’ny Tompo ny ray aman-dreninareo, fa izany no rariny.
2Manajà ny ray aman-dreninao, io no voalohan-didy misy teny fampanantenana, dia ny hoe:
3mba hahita soa sy ho ela velona etỳ ambonin’ny tany ianao.
4Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.
5Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amim-pahatahorana sy fangovitana, ary amim-pahatsoram-po, toy ny anekena an’i Kristy;
6aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin’olombelona, fa toy ny mpanompon’i Kristy, manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo tokoa;
7ary manompoa amim-pitiavana, toy ny manompo ny Tompo fa tsy ny olombelona;
8satria fantatrareo marina fa isam-batan’olona, na andevo na olona afaka, dia samy hovalian’Andriamanitra soa, amin’izay soa nataony avy.
9Ianareo tompo koa, mba manaova toy izany amin’izy ireo, ka ajanòny ny fandrahonana, satria fantatrao fa tsy mba mizaha tavan’olona ilay Tompon’izy ireo sy ianareo, any an-danitra.
Ady ara-panahy10Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
11Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.
12Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.
13Koa raiso avokoa àry ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy, dia hijoro tsara ianareo rehefa niala nenina.
14Aza miraika, fa misikìna fahamarinana, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra,
15kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo;
16fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipìk’afo rehetra alefan’ilay ratsy.
17Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy.
18Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
19dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana, hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran’ny Evanjely,
20(izay anaovako ny raharahan’ny ambasadaoro eto am-pigadrana), dia hitory azy tsy aman-tahotra araka izay mety hataoko aho.
Vaovao momba ny tenany sy veloma farany21Ary ny amin’ny hahalalanareo izay toetra sy ataoko atỳ, dia iny i Tisìko, havana malala, sady mpandraharaha mahatoky ao amin’ny Tompo, hampandre anareo ny zavatra rehetra;
22fa izany indrindra no nandefasako azy ho atỳ aminareo, ka dia sady handre ny toetranay ianareo, no halàny alahelo koa ny fonareo.
23Fiadanana anie ho an’ny havana iray finoana, ary fitiavana amam-pinoana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo!
24Fahasoavana anie ho an’izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy lefy!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.