1Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh:
hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy!
2Hifaly amin’ny Mpahary azy anie i Israely,
hientan-karavoana amin’ny Mpanjakany anie ny zanak’i Siôna!
3Aoka izy ireo hidera ny Anarany amin’ny dihiny;
aoka hihira Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa!
4Fa ankasitrahin’i Iaveh ny vahoakany;
manome voninahitra ny ambany toetra, amin’ny famonjeny azy Izy.
5Mandresy amim-boninahitra ny mpino,
mienta-kafaliana eo am-pandriany izy ireo.
6Eo am-bavany ny fiderana an’Andriamanitra,
ary eo an-tanany ny sabatra roa lela.
7Mba hanao famaliana an’ireo firenena,
sy hamay an’ireo vahoaka,
8mba hamatotra ny mpanjakan’ireny amin’ny gadra,
ary ny olo-malazan’ireny amin’ny gadra vy;
9mba hampihatra amin’izy ireo ny teny fitsarana voasoratra:
Voninahitra voatokana ho an’ny mpino azy rehetra izany.
Aleloia!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.