Matio 14 - Malagasy Catholic Bible

I Herôda sy i Jesoa(Jereo Mk 6,14-16; Lk 9,7-19)

1Tamin’izany andro izany, dia ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa,

2ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «I Joany Batista izay; efa nitsangana avy any amin’ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.»

Ny namonoana an’i Joany Batista(Jereo Mk 6,17-27; Lk 3,19-20)

3Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.

4Satria i Joany nilaza taminy hoe: «Tsy mahazo manambady io ianao.»

5Nitady hamono azy i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.

6Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda.

7Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.

8Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: «Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.»

9Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy nomena azy ihany izany;

10ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.

11Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny.

12Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

Fampitomboana ny mofo voalohany(Jereo Mk 6,31-44; Lk 9,10-17; Jn 6,1-13)

13Nony nandre izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an’efitra; fa rehefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy.

14Rehefa niala tao an-tsambo Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.

15Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.»

16Fa hoy i Jesoa taminy: «Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina.»

17Dia hoy ireo taminy: «Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atỳ aminay.»

18«Ento atỳ amiko izany,» hoy Izy taminy.

19Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.

20Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.

21Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

I Jesoa mitety rano sy i Piera miaraka aminy(Jereo Mk 6,45-52; Jn 6,16-21)

22Dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambara-pandràvany ny vahoaka;

23ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.

24Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina, fa nanoha rivotra.

25Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.

26Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: «Matoatoa io,» sady niantsoantso izy noho ny tahony.

27Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: «Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.»

28Namaly i Piera nanao hoe: «Raha ianao àry, Tompo, asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.» «Avia» hoy Izy.

29Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.

30Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho.»

31Niaraka tamin’izay, naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: «Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?»

32Ary rehefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra.

33Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.»

Fanasitranana tao amin’ny tany Genezareta(Jereo Mk 6,53-56)

34Ary nony tafita ny rano izy ireo, dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;

35ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao, dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,

36ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny morontongotr’akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help