Salamo 22 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 22 (Volgata 21)Fijalian’ny olo-marina sy fanantenany

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Momba ny Serfavavin’ny mazava atsinanana . Salamon’i Davida.

2Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no nilaozanao aho?

Mitaraina aho, nefa mijanona lavitra ahy ny famonjena!

3Andriamanitra ô, miantso aho, ritra ny andro, nefa tsy mamaly ahy Ianao;

ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.

4Kanefa masina Ianao,

ary mipetraka eo amin’ny hiran’i Israely.

5Ianao no nitokian’ny razanay;

natoky izy ka nanafaka azy Ianao;

6niantso Anao izy ka voavonjinao;

natoky Anao izy ka tsy azon-kenatra.

7Ary izaho, dia olitra aho fa tsy olona;

fandàtsan’ny olona, faikam-bahoaka.

8Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa;

misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:

9Aoka izy hanankina ny tenany amin’i Iaveh.

Aoka hovonjena izy.

Aoka hafahany izy fa tiany.

10Eny Ianao no nampivoaka ahy avy ao am-bohoka;

Ianao no nampahatoky ahy fony aho mbola nampinonoin’ineny.

11Hatramin’ny fony aho vao teraka no efa nankinina taminao;

hatrany an-kibon-dreniko dia Ianao no efa Andriamanitro.

12Aza manalavitra ahy Ianao fa akaiky ny fahoriana,

satria tsy misy olona tonga hamonjy ahy.

13Itangoronan’ombalahy maro aho;

temeran’ny maherin’i Basàna aho.

14Asanasanany amiko ny vavany;

mova izy tsy ny liona mamiravira sy mierona iny.

15Koa tahaka ny rano mandeha ihany aho;

ary mivaha ny taolako rehetra;

tahaka ny savoka ny foko,

miempo ato an-kiboko.

16Maina tahaka ny tavim-bilany tany ny heriko,

ary miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako;

mampandry ahy ao amin’ny vovoky ny fahafatesana Ianao.

17Fa amboa no mitangorona amiko

andian’olon-dratsy no mihenjy manodidina ahy;

nandoaka ny tongotro aman-tanako izy;

18mahisa ny taolako rehetra aho.

Ireo kosa mandinika ahy sy mibanjina ahy;

19zarain’izy ireo ny fitafiako,

ary ilokany ny akanjoko.

20Fa Ianao kosa, Iaveh ô, aza manalavitra ahy!

Ianao heriko, faingàna hamonjy ahy!

21Afaho amin’ny sabatra ny fanahiko,

ary ny aiko amin’ny fahefan’ny amboa!

22Vonjeo amin’ny vavan’ny liona aho;

esory amin’ny tandroky ny ombimanga aho:

23Dia hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho;

hidera Anao eo amin’ny fiangonana aho:

24Miderà an’i Iaveh ianareo izay matahotra Azy!

manomeza voninahitra Azy ianareo rehetra taranak’i Jakôba,

manajà Azy ianareo rehetra taranak’i Israely!

25Fa tsy nataony tsinontsinona na niambohoany ny fijalian’ny ory,

tsy nanafina ny Tavany eo anatrehany Izy;

ary nihaino Izy, nony nitaraina taminy ny ory.

26Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako;

hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.

27Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky;

hidera an’i Iaveh izay mitady Azy.

Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!

28Ny fara vazantany rehetra hahatsiaro sy hitodika an’i Iaveh,

ary ny fokom-pirenena rehetra

hiankohoka eo anatrehan’ny Tavanao.

29Fa an’i Iaveh ny fanjakana;

Izy no manapaka amin’ny firenena.

30Ny manam-pahefana eto ambonin’ny tany hihinana sy hiankohoka,

izay rehetra midina ho any amin’ny vovoka, hiondrika eo anoloany;

dia ireo tsy mahay manalava ny andro iainany.

31Hanompo Azy ny taranaka;

holazaina amin’ny taranaka ho avy ny Tompo.

32Ho avy izy ireo ka hitory ny fahamarinany;

hambaran’izy ireo amin’ny vahoaka mbola ho teraka ny nataony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help