Izaia 23 - Malagasy Catholic Bible

Ny hanjò an’i Tira sy i Sidona(Jereo Ezek 26–28; Am 1,9-10; Zak 9,2-4)

1Faminaniana ny amin’i Tira.

Migogogogoa, ry sambon’i Tarsisa,

fa rava izy!

Tsy misy rano intsony, tsy misy hidirana intsony!

Avy any amin’ny tany Setima,

no nandrenesany an’izany.

2Aoka hitanàka, ianareo mponina amorontsiraka,

rakotry ny mpandranto avy any Sidona,

izay mitety ranomasina.

3Mamakivaky ny ranobe ny vary avy any Nila,

ny vokatry ny ony, niditra ho hareny,

tsenan’ny firenena izy.

4Aoka ho safotry ny henatra ianao, ry Sidona,

fa efa niteny ny ranomasina,

ny trano mimanda eo amin’ny ranomasina, nanao hoe:

«Tsy mba nihetsi-jaza aho na niteraka,

tsy mba namelona zatovo aho, na nitaiza virjiny.»

5Rehefa handre izany vaovao izany i Ejipta

dia ho raiki-tahotra mandre ny naharavan’i Tira.

6Mità ho any Tarsisa ianareo, ka migogogogoa,

ry mponina amorontsiraka!

7Ity va no renivohitrareo falifaly,

izay efa hatramin’ny andro fahagola ny fiandohany,

sy izay nentin’ny tongony

lasa lavitra hitoetra any.

8Iza no nandidy izany,

hamelezana an’i Tira izay nanome satroboninahitra;

ary ny mpandrantony dia andriandahy,

ary ny mpivarotra avy aminy olo-malaza amin’ny tany?

9I Iavehn’ny tafika no nandidy izany

mba hanamatroka ny voninahitr’izay rehetra mamirapiratra,

mba hanetry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.

10Mieleza amin’ny taninao, tahaka an’i Nila,

ry zanaka vavin’i Tarsisa,

fa tsy manam-pehikibo intsony ianao.

11I Iaveh efa naninjitra ny tanany amin’ny ranomasina,

nampihorohoro ny fanjakana;

nanao didy hamelezana ny tanànany mimanda.

12Ary hoy izy: «Tsy hanao fifaliana intsony ianao,

ry virjiny afa-baraka, zanaka vavin’i Sidona!

Mitsangàna, mità ho any Setima;

na any aza anefa, tsy hisy fitsaharana ho anao.

13Jereo ny tanin’ny Kaldeanina,

firenena mbola tsy nisy,

izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia

any an’efitra;

nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany,

nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!

14Migogogogoa, ry Tarsisa, fa rava ny tanàna mimanda.»

Hofehezina i Tira

15Amin’izany i Tira dia hohadinoina fitopolo taona, araka ny halavan’ny andron’ny mpanjaka iray. Ary rehefa afaka fitopolo taona no hanjò an’i Tira dia araka ilay tononkiran’ny vehivavy janga hoe:

16Raiso ny lokanganao, mandehana manodidina ny tanàna,

ry kala janga hadino;

mitendre amim-pahaizana, hamaroy ny hiranao,

mba hahatsiarovan’ny olona anao.

17Ary rehefa afaka fitopolo taona, dia izao no zavatra hitranga:

hamangy an’i Tira i Iaveh,

ka handray ny tambiny indray izy,

dia hitolo-tena amin’ny fanjakana rehetra eto an-tany,

manerana an’izao tontolo izao.

18Ary hatokana ho an’i Iaveh ny tombom-barony sy ny tanginy,

fa tsy hangonina hiavosa na hotahirizina;

satria ny azony dia ho an’ireo monina eo anatrehan’i Iaveh,

hohaniny sy hivokisany ary hihaingoany fatratra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help